a
FandraisanaVaovaom-paritraFAMONGORANA TAMBAZOTRAN’NY TANORA MADITRA ANTSOHIHY : MANDRAY NY ANDRAIKINY NY POLISY

FAMONGORANA TAMBAZOTRAN’NY TANORA MADITRA ANTSOHIHY : MANDRAY NY ANDRAIKINY NY POLISY

FAMONGORANA TAMBAZOTRAN’NY TANORA MADITRA ANTSOHIHY : MANDRAY NY ANDRAIKINY NY POLISY

Betsaka ireo mitaraina very vola ‚ voarava eny an-tsena ary misy andiana Tanora maromaro mifampitoratoraka arivariva ka miteraka tebiteby eo anivon’ny fiarahamonina . Mivorivory ambodi-tranon’olona izy ireo midoroka zava-mahadomelona ( mifoka paraky ‚ sigara ‚ rongony ‚ misotro toaka ) . Mpianatra eny amin’ny EPP ‚ KOLEJY sy LYSEA miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana ‚ Tovovavy sy Tovolahy tombana ho 12 taona ka hatramin’ny 20 taona izy ireo ‚ mivorivory eny amin’ny toerana mangingina sy takona tsy betsaka olona . Manodidina ny mosquée Ambalabe Ouest sy any amoron-drano Ambavan’Antsohihy …no tena ahitana azy ireo matetika.

Velontaraina ireo Ray aman-dReny sasany fa tsy laitrany fananarana intsony ny zanany naterany izay taomin’ireo namany amin’ny fanaovan-dratsy ka ranomaso sisa atelina mba miataintaina lava tsy ho tratra eny am-panaovana asa ratsy ka ho afoy tanteraka .
« Ny ditry sy fidorohana zava-mahadomelona misesisesy tahaka izao no miteraka FORÔSY ka tsy maintsy fongorina haingana izany mba tsy hitatra lavitra » ‚ hoy ny avy eo anivon’ny Polisim-pirenena nitondra fanazavana.

Mandray ny andraikiny manoloana izany ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ‚ misambotra sy manadihady ary mandray fepetra manoloana ireo Tanora efa tratra ‚ mba ho fananarana.

 Sary azo nandritra ny fisamborana androany 02 Mars 2023 tokony ho tamin’ny 10 Ora maraina teo ‚ natambatra amin’ny sarin’ireo zatovovavy mifoka sigara sy rongony azon’ny mpanao gazety ny andron’ny Journée des écoles – 22 Febroary 2023 teo.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment