a
FandraisanaPolitikaF.A.J.M : MISY DIAN-TÀNANA POLITIKA ‚ MIENDRIKA FAMPIHOROHOROANA IZAY SAHY MITENY NY FAMPIDIRANA AM-PONJA AN’I LOLA RASOAMAHARO‼️

F.A.J.M : MISY DIAN-TÀNANA POLITIKA ‚ MIENDRIKA FAMPIHOROHOROANA IZAY SAHY MITENY NY FAMPIDIRANA AM-PONJA AN’I LOLA RASOAMAHARO‼️

F.A.J.M : MISY DIAN-TÀNANA POLITIKA ‚ MIENDRIKA FAMPIHOROHOROANA IZAY SAHY MITENY NY FAMPIDIRANA AM-PONJA AN’I LOLA RASOAMAHARO‼️

Mijoro ny Federasiona hiraisan’ny Fikambanan’ny mpanao gazety eto Madagasikara, maneho ny ahiahiny ‚ manoloana ny tranga izay niseho ny faran’ny herinandro teo, mikasika ny fisamborana sy ny famonjana vonjimaika ny Filoha Tale Jeneralin’ny “La Gazette de La Grande île” ka nanao izao fanambarana izao.

Manameloka ny fisamborana mpanao gazety, ny fanohintohinana mivantana na ankolaka ny orinasan-gazety . Tsy mitsabaka amin’ny raharaham-pitsarana izahay, fa anjaran’ny voakasik’izany na ny mpitory na ny toriana, sy ny mpisolovava azy ireo, no mitondra ny fiarova-tenan’izy ireo.

Raharaha manokana tsy misy hidiran’ny asa fanaovan-gazety ny ambara fa fototry ny fitoriana azy, raha jerena indray mielatra, rehefa tena fotorina akaiky sy lanjalanjaina daholo anefa, dia mampanahy ny zava-misy . Mifototra amin’ny mety ho fiatraikan’izao zava misy izao amin’ny fahalalahan’ny fanehoan kevitra eto amin’ny firenena ny ahiahinay. Ny fahalalahan’ny fanehoan-kevitra izay hita miharihary fa efa mihatery sy miha-sarotra hatrany.

Manahy izahay fa misy dian-tanana politika ao ambadik’izao raharaha izao. Miendrika ramatahora sy fampihorohoroana, atao amin’izay mahasahy miteny ny zava -misy eto amin’ny firenena, ny zava-misy . Manahy izahay, sao dingana hirosoana any amin’ny fanakatonana, na fanapenam-bava ny orinasan-gazety ny zava-misy amin’izao fotoana izao. Tranga izay midika ho fanasaziana ny olom-pirenena rehetra manan-jo hisitraka vaovao maro lafy.

Noho izany, manambara etoana izahay fa manaramaso ary mijery akaiky ity raharaha ity.
La Fédération des Associations des Journalistes.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment