a
FandraisanaVaovaom-paritraEPP ANALAMANDRO AMBOVOMBE ANDROY – MADAGASIKARA : MIPETRAKA AMIN’NY FOTAKA NY MPIANATRA‼️

EPP ANALAMANDRO AMBOVOMBE ANDROY – MADAGASIKARA : MIPETRAKA AMIN’NY FOTAKA NY MPIANATRA‼️

EPP ANALAMANDRO AMBOVOMBE ANDROY – MADAGASIKARA : MIPETRAKA AMIN’NY FOTAKA NY MPIANATRA‼️

Amin’ity trano bongo‚ tsy misy dabolio sy mamovoka‚ tsy misy seza sy latabatra fa mipetraka amin’ny tany ity no manovo fahalalana ny zanaka Malagasy mianatra ao amin’ny sekolim-panjakana ao amin’ny EPP Analamandro – Ambovombe faritra Androy‚ raha ny fampitam-baovao mihainga avy any an-toerana.

Iray ihany ny mampianatra ao amin’ilay sekoly‚ mitazona sy mampianatra kilasy T1 hatramin’ny T5. Miisa 167 ireo mpianatra rehetra‚ mifandimby izy‚ izay mianatra maraina‚ tsy miverina rehefa hariva. Manao ny ainy tsy ho zavatra ny mpampianatra‚ mba afahan’ireo Zaza Malagasy misitraka ny zo ahazo fanabeazana fototra‚ na tsizarizary aza ny fotodrafitrasa izay mifanipaka tanteraka amin’ny sekoly manarapenitra.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment