ENJANA NY ZAVA-MISY AO TOERAM-PITRANDRAHANA VOLAMENA ‚ SAHANTONA MANDRITSARA
Nijanona teo amin’ny fokontany Farara izahay sy ny namako taoriany fetim-pirenena Malagasy iny ‚ nandeha tongotra amin’ny lalana tombanana ho 55km eo hamonjy any Sahantona ‚ kaominina Andohajango toeram-pitrandrahana volamena ao Mandritsara ‚ rehefa naheno ny lazany. 30 000Ar raha tsy misy entana ‚ mananika any amin’ny 60 000Ar ‚ 70 000Ar kosa ny saran-dalana raha misy entana toy ny vary atao vatsy sy fitaovana ampiasaina any ‚ mihainga avy eo Farara ‚ raha ny fanazavana . Manodidina ny roa hetsy Ariary ( 200 000Ar ) vidiny fatana na toerana hanaovana ny fitrandrahana 4metatra toradroa
Roa herinandro mahery izahay nangady tao ary nisivana ranon-tany efa nivangongo teo avy eo ‚ zara raha nahita vovony kely tsy ampy 1grama akory . Nisy herin-tsaina kely ihany rehefa nahita io kely io ary nanantena ny hahita blongany ka nanohy ny asa.
Mamely ny hatsiaka ‚ vidim-piainana manao ny ataony ‚ vatsy kely teny ampelatanana efa manomboka lany kanefa ny zavatra tadiavina tsy hita ka nanapa-kevitra ny hamonjy fodiana aho aveo.
Manomboka midina ny vidin-javatra any ankehitriny ‚ Efa 500Ar sy 600Ar ny vidim-bary raha 1000Ar izany teo aloha ‚ Betsaka ireo mivarotra angady sy fananana mba hitadiavana vola hodiana . Taoriany fisian’olona maty nitorany tany iny ‚ vitsy olona mahita volamena ary 05 grama raha betsaka indrindra.
Tsy mamporisika olona handeha any amin’ny kariera aho na manakana fa ataovy vonona ny saran-dalana mandroso sy miverina ary ny vatsy ataovy ampy fa tsy mora ny ady any ‚ mirary soa hoan’ireo izay mbola any sy maniry tehamonjy any.