a
FandraisanaSportENIAP ANTSIRABE – ANDIANY AINA : MIISA 1197 IREO POLISY VAOVAO TAFIDITRA AO ANATIN’NY FIANAKAVIAM-BEN’NY POLISIM-PIRENENA

ENIAP ANTSIRABE – ANDIANY AINA : MIISA 1197 IREO POLISY VAOVAO TAFIDITRA AO ANATIN’NY FIANAKAVIAM-BEN’NY POLISIM-PIRENENA

ENIAP ANTSIRABE – ANDIANY AINA : MIISA 1197 IREO POLISY VAOVAO TAFIDITRA AO ANATIN’NY FIANAKAVIAM-BEN’NY POLISIM-PIRENENA

Inspecteurs de Police miisa 199 sy agents de Police miisa 998 no nahavita ny fiofanana nandritra ny herintaona ka nivoaka androany tamin’ny fomba ofisialy teto amin’ny ENIAP ANTSIRABE . Misalotra ny anarana « AINA » ( Assiduité, Intelligence, Neutralité, Action ) ity andiany faha 27 ity izay hahitana vehivavy miisa 132. Ankoatra izay dia namboatra « Parcours d’obstacle » ho an’ny sekoly moa ireto andiany AINA ireto hoentina manatsara ny fiofanana ataon’ny mpianatra.

Nambaran’ Andriamatoa Minisitry ny Filaminam-bahoaka ny Contrôleur Général de Police RANDRIANARISON Fanomezantsoa moa tamin’ny lahateny nataony fa manao ny ezaka rehetra ny fitondram-panjakana ary tafiditra ao anatin’izany ny fampitomboana ny isan’ny mpitandro ny filaminana hoentina mametraka fandriampahalemana maharitra izay antoky ny fandrosoan’ny firenena .

Tonga nanome voninahitra ny lanonana teto Antsirabe ny Minisitry ny fiarovam-pirenena ny Jeneraly RAKOTONIRINA Richard sy ny Minisitry ny asam-panjakana Ramatoa RAMAMPY Gisèle. Teo ihany koa ireo manam-pahefana isan-tsokajiny sivily sy Miaramila avy any amin’ny faritra samihafa.
_______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment