a
FandraisanaFampianaranaDREN SOFIA : FIZARANA BISIKLETA SY FIFANARAHANA ARAK’ASAN’NY MPAMPIANATRA▪️EFA TONGA NY MINISITRA SY IREO MPAMPIANATRA AVY AMIN’NY CISCO 07 NAHAZO FANASANA‼️

DREN SOFIA : FIZARANA BISIKLETA SY FIFANARAHANA ARAK’ASAN’NY MPAMPIANATRA▪️EFA TONGA NY MINISITRA SY IREO MPAMPIANATRA AVY AMIN’NY CISCO 07 NAHAZO FANASANA‼️

DREN SOFIA : FIZARANA BISIKLETA SY FIFANARAHANA ARAK’ASAN’NY MPAMPIANATRA▪️EFA TONGA NY MINISITRA SY IREO MPAMPIANATRA AVY AMIN’NY CISCO 07 NAHAZO FANASANA‼️

Bisikleta miisa 1116 sy taratasy fifanarahana arak’asa hoan’ny mpampianatra miisa 692 no hozaraina eo amin’ny kianjan’ny travaux Antsohihy rahampitso sabotsy 20 Mey 2023.

Efa tonga hatramin’ny fiandohan’ny herinandro ireo fitaovana miaraka amin’ny kapan-jazakely mpianatra amin’ny gony maro‚ efa tonga ihany koa ireo mpampianatra hisitraka fifanarahana arak’asa sy bisikleta‚ fantatra ihany koa fa efa eto Antsohihy ny minisitry ny fanabeazanam-pirenena ka fotoana sisa andrasana dia miroso amin’ny lanonana mitalakotrokotroka izay hafanain’ny mpanakanto VAIAVY CHILA.

Samy niantoka ny saran-dalany ireo mpampianatra tonga haka ny “contrat de travail” avy amin’ny distrika ivelany Antsohihy ato amin’ny faritra Sofia‚ misy amin’izy ireo nandeha tongotra 60km miala ny toerana hipetrahany sy hiasany avy eo mandeha Taksibrosy tsy latsakin’ny 30 000Ar ny saran-dalana.

Noraisina ao amin’ny sekolim-panjakana (EPP sy CEG) eto an-tanàna ireo mpampianatra mpanabe izay manontrona ny fahatongavan-dRamatoa minisitra.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment