a
FandraisanaFampianaranaDREN SOFIA : AMPERINASA NY TALEM-PARITRA VAOVAO

DREN SOFIA : AMPERINASA NY TALEM-PARITRA VAOVAO

DREN SOFIA : AMPERINASA NY TALEM-PARITRA VAOVAO

Tsy nandrasana ela intsony fa notontosaina androany arivan’ny 10 Martsa 2023 teo ny famindram-pitantanana teo amin’ny Talem-paritry ny fanabeazam-pirenena taloha – Rakotovao Razafimandimby Rakotovao sy ny Talem-paritra vaovao – Mandimbilaza Noeriko Sylvain.

Namanareo aho ‚ hifanampy isika ary hiarahiasa ho fanatsarana ny tontolon’ny fanambeazana ny ankizy sy tanora ato amin’ny faritra Sofia fa tsy fahavalo sanatria ‚ Isaorana ny filoham-pirenena sy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena ary minisitra mpiahy ny faritra Sofia miaraka amin’ireo nikirakira ny fametraham-pitokisana tamiko ‚ hoy ny Talem-paritra vaovao raha nandray fitenenana sady niantso fiarahamiasa amin’ny hery velona rehetra ato amin’ny faritra.

 Sitrapon’Ilay Nahary matoa tanteraka ireny rehetra ireny ka isaorantsika azy . Ampitiavana sy ampanajana tanteraka no hanaovako famindram-pitantanana androany ho fanohizana ny fandehanan-draharaham-panjakana eo anivon’ny fitaleaparitry ny fanabeazam-pirenena ‚ hoy ny Talem-paritra taloha ‚ nitondra teny firariantsoa hoan’ny Talem-paritra vaovao.

 Niatrika ny lanonana teny ny Lehiben’ny prefektiora Antsohihy sy ny Talem-paritry ny filaminam-bahoaka Sofia ary ireo mpiaramiasa ato amin’ny faritra.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment