a
FandraisanaFambolena sy fiompinaDREDD SOFIA : NOMENA FAHEFANA HIARO NY ATIALAN-JAVABOARY AO AMINY IREO VONDRON’OLONA IFOTONY NAHAFENO FEPETRA TAO MAHADRODROKO SY ANGOAKA-SUD‼️

DREDD SOFIA : NOMENA FAHEFANA HIARO NY ATIALAN-JAVABOARY AO AMINY IREO VONDRON’OLONA IFOTONY NAHAFENO FEPETRA TAO MAHADRODROKO SY ANGOAKA-SUD‼️

DREDD SOFIA : NOMENA FAHEFANA HIARO NY ATIALAN-JAVABOARY AO AMINY IREO VONDRON’OLONA IFOTONY NAHAFENO FEPETRA TAO MAHADRODROKO SY ANGOAKA-SUD‼️

Anisany kaominina manan-karena ara-javaboary an-tanety sy an-dranomasina ny kaominina Mahadrodroko Distrika Analalava. Ao amin’ny ala-fady na atiala voafaritra fa arovana dia mbola misy karazam-biby toy ny FOSA‚ VARIKA izay mbola misy 06 karazana ka ny 02 amin’izany ahiana ho lany tamingana (Ankomba malandy sy Raipaka)‚ VORON-DIA maro karazana…ao anaty alan-javaboary arovana io koa no misy loharano manondraka ny lemaka Mahadrodroko‚ izay misy tanim-bary 13 000Ha mahery‚ velontenan’ny vahoaka ifotony. Ankoatrizay dia manana tombony i Mahadrodroko amin’ny fananany atiala honko eny amoron-dranomasina izay manatavy drakaka sy ankamba ary ireo hazan-dranomasina maro‚ izany no mahatonga izahay manampy sy miara-miasa amin’ny fitaleavam-paritry ny tontolo iainana sy fandrosoana lovain-jafy‚ ho fiarovana ireo rehetra ireo mba ho lovain’ny taranaka fara mandimby‚ araka ny fanazavana nataony Randimbiharinirina Roger Domenico, Tanora manampahaizana avy ao Mampikony faritra Sofia‚ izay manana «DEA en Sciences Naturel – Spécialité Primatologie» nivoaka tamin’ny Oniversiten’Antananarivo sady «Coordonnateur des activités de GERP (Groupe d’Etudes et de Recherche sur les Primates de Madagascar) à Mahadrodroko».

Ny alahady 28 Mey 2023 teo no tanteraka teo anatrehan’ny Dr MANANTSOA Clermond – Talem-paritry ny tontolo iainana sy fandrosoana lovain-jafy ny famindram-pitantanana amin’ny ampahan’ny fiarovana ny atialan-javaboary ao Mahadrodroko‚ hoan’ireo vondron’olona ifotony na V.O.I Tsinjolavitra. Nampahafantarina ofisialy nandritra izany koa ny fijoroan’ny V.O.I Soarano avy ao Antsakoabe kaominina Angoaka-sud izay mijoro miaro ny atialany izay iharany tsindry maro samihafa toy ny tetik’ala‚ Doro tanety mba hambolena katsaka…Notolorana boky mirakitra ny fahefana ananan’ireo V.O.I sy lalàna mifehy ny atialan-javaboary ary ireo faritra natokana hiasany araka ny fifanarahana napetraka izy ireo nandritra ny lanonana.

Tafiditra anatin’ny politikan’ny fitondram-panjakana izay tarihin’ny filoha Andry Rajoelina ity hetsika natao ity. Fanjakana manakaiky vahoaka ary tsy misy Distrika sy kaominina adino‚ fitsinjaram-pahefana ary fanomezan-kasina ny vahoaka ifotony izay mahalala misimisy koakoa momba ny atialan-javaboary ao aminy. Manaramaso ny asa ataon’izy ireo sady miahy tanteraka ireo V.O.I ny fitaleaparitry ny tontolo iainana sy fandrosoana lovain-jafy‚ izay miaramiasa amin’ny GERP amin’ny fikobabiagna ny atialan-javaboary‚ hoy DREDD Sofia‚ raha nidina ifotony tao Mahadrodroko.

Marihina fa manampy tosika ireo tantsaha araka ny filàny vahoaka ifotony ny GERP‚ efa nisy ny fizarana masom-boly sy fampiofanana ireo tantsaha amin’ny fiompiana tantely ary famokarana isan-karazany mba hiteraka vola hoan’ny vahoaka ny fiarovana ny atiala izay tombony voajanahary hoan’ny faritra Sofia.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment