DREDD SOFIA : NIFANDRIMBONA NAMBOLY ZANA-KAZO NIARAKA TAMIN’NY MPITARIKA TANORA
Fotoam-pambolena ny vanim-potoana fahavaratra ka tokony samy hahay hanararaotra izany ny tsirairay fa indrindra ny olom-pirenena ‚ mba hanefa ny adidiny hoan’i Tanindrazana ‚ ho fandrakofana ala maitso ny tontolo manodidina ‚ ho tombontsoantsika sy taranaka faramandimby ‚ hoy Manantsoa Clermont ‚ namporisika olona hamboly zana-kazo amin’izao fotoam-pahavaratra izao.
Sofia maitso ‚ tontolo rakotra ala maitso no tanjona ‚ mamaimpoana ny zana-kazo ao amin’ny fitaleavam-paritry ny tontolo iainana ( graine de vie ) ‚ azon’olon-tsotra sy fikambanana atao ny maka sy maboly izany hoan’ny tombontsoa iraisana ‚ hoy hatrany ny Talem-paritra nanamafy fa mbola hisy ny fotoana hiarana amin’ny sarambambem-bahoaka hiara-hientana amin’ny fambolen-kazo ato amin’ny Faritra Sofia.