a
FandraisanaVaovaom-paritraDORIS VADIN’I MAHERILANTO MANANDAFY : NIDINA NITARIKA OLONA NAMAKIVAKY NY KIANJAN’NY 13 MEY‼️

DORIS VADIN’I MAHERILANTO MANANDAFY : NIDINA NITARIKA OLONA NAMAKIVAKY NY KIANJAN’NY 13 MEY‼️

DORIS VADIN’I MAHERILANTO MANANDAFY : NIDINA NITARIKA OLONA NAMAKIVAKY NY KIANJAN’NY 13 MEY‼️

Tsy nahasakana an-dRamatoa Doris Rakoto Samuel – Vadin’i Maherilanto Manandafy dit Malama ireo fandemen-tsaina sy fandrahonana ary fanambaniana nataon’ireo olona nanatsatso sy nanamavaina ny hetsika fidinana amin’ny kianjan’ny 13 Mey‚ fanehoan-kevitra‚ fijoroana manoloana ny tsy rariny sy ny fahoriana mahazo ny vahoaka Malagasy ka niantsoany vahoaka hiaraka aminy.

Nosakanan’ny zandary izy teny an-dalana fa niezaka nanazava ny antony fidinana‚ tolona hoan’ny vahoaka Malagasy sy ny fianakaviany. Nisy ihany ny fifanjevoana teny an-kianja nandritra ny hetsika‚ izay nahavoasambotra olona iray avy amin’ny vondrona Gasy LEO. Tsy naninona kosa i Doris Rakoto Samuel araka afaka namonjy fodiana.

Somary vitsy ny olona niaraka taminy raha ampitahaiana amin’ireo olona mimenomenona fa iharany tsindry sy tsy rariny eto Madagasikara‚ ny sasany koa milaza fa matahotra voasambotra raha mijoro sy maneho hevitra na miaraka amin’ireo olona mandeha mamonjy hetsika eny amin’ny kianja ny 13Mey.

Tsikaritra ihany fa taoriany fisamborana sy fampidirana am-ponja ireo olona nanao ankanjo mena noheverina fa hamonjy tatitrin’ireo Solombavambahoaka avy amin’ny antoko mpanohitra (izay tsy sahy namaky ny kianjan’ny 13 Mey) ny Febroary 2021 dia natahotra ny olona haneho hevitra an-kalamanjana‚ fa indrindra momba ny fitondrana mijoro ankehitriny. Ny mpanohitra rahateo mamporisika ny vahoaka ihany no tena kapoakany fa tsy sahy mijoro akory‚ ny vahoaka ihany no matetika lasa sorona rehefa misy hetsika sy tolona atao fa ireo mpanao politika mijanona ho mpamporisika fotsiny‚ hoy ny olom-pirenena sasany maneho ny heviny momba toe-draharaham-pirenena.

Raha tsiahivina‚ Maherilanto Manandafy dit Malama vady andefomandrin’i Doris Rakoto Samuel dia nahiditra am-ponja ary mamita ny saziny 18 volana noho ny fitoriana nataon’ny vazaha izay nolazainy fa mivarotra bala amin’ny dahalo‚ 02 taona sazy mihatra hafa tamin’ny fitoriana nataon’ny mpitandro filaminana izay nambarany fa miaramiasa amin’ilay vazaha amin’ny asa ratsy ataony.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment