a
FandraisanaVaovaom-paritraDORIS RAKOTO SAMUEL : HAMPANARAHINA AN’I MALAMA VADINY ANY AM-PONJA INDRAY VE⁉️

DORIS RAKOTO SAMUEL : HAMPANARAHINA AN’I MALAMA VADINY ANY AM-PONJA INDRAY VE⁉️

DORIS RAKOTO SAMUEL : HAMPANARAHINA AN’I MALAMA VADINY ANY AM-PONJA INDRAY VE⁉️

Natao sarika am-pandriana vao ity andriambavilanitra vady andefomandrin’i Maherilanto Manandafy ity androany 05 Jona 2023 tao an-tranony‚ taoriany fanehoan-kevitra nataony tao amin’ny kaonty Facebook-ny. Nakarina fampanoavana avy hatrany izy taorian’ny famotorana natao azy teny amin’ny zandary. Napetraka eo ambany fanarahamason’ny fitsarana moa izy raha ny vaovao nivoaka avy eny amin’ny fitsarana.

Tsiahivina ihany fa mbola tohin-draharaha momba ny fidinana teny amin’ny kiajan’ny 13 Mey ny 31Mey 2023 teo no voalaza ho nisamborana azy ity raha nahiditra am-ponja vonjimaika avy hatrany ilay namany nidina an-dalambe niaraka taminy tamin’iny fotoana ity.

Adikan’ireo mpanao politika ho fampihorohoroana sy fanampenam-bava an’i Doris Rakoto Samuel‚ manoloana ireo fihetsiketsehana sy fijoroana manoloana ny toe-draharaham-pirenena izay efa mampimenomenona ny olom-pirenena ity fisamborana azy ity. Raha tsy misy fihovana dia amin’ny 16 Jona 2023 izao ny fitsarana azy.

Hoampanarahina ny vadiny izay efa any am-ponja ve‚ sa omena sazy mihantona mba tsy afahany mikofoka intsony i Doris Rakoto Samuel ⁉️ hoy ny mpanara-baovao mametra-panontania.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment