DJ MORICHIDY : ALEO TSY MANDEHA FA MAFY JALY ATO
Efa telo andro androany izahay no tafajanona teto Anjiajia ‚ hafatra hoan’ny mpandeha ‚ aleo tsy mandeha fa mafy jaly ato ‚ hoy Mpanakanto DJ MORICHIDY raha nampahafantatra ny fisiany lalana potika sy nidaosiny rano ao amin’ny croisement Anjiajia ‚ Tsaramandroso ‚ lalam-pirenena faha-04 Faritra Boeny.
Efa any an-toerana ary miroso amin’ny fanarenana ny lalana ny avy ao amin’ny Faritra izay tarihiny Governora sy Travaux Publics ary ny ATT ‚ andrasana ny fiverenany fifamoivoizana sy fitohizany lalana.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.