a
FandraisanaVaovaom-paritraDISADISAM-PARAHAMONINA AO PORT BERGÉ

DISADISAM-PARAHAMONINA AO PORT BERGÉ

DISADISAM-PARAHAMONINA AO PORT BERGÉ

Mihazakazaka ny toe-draharaha ao Boriziny ‚ nitsangana ny CFM nampivory ireo Ray aman-dReny avy any Toliara ( FIZAFATO : Fikambanana Zanaka Ampielezana Toliara ‚ FITEAM : Fikambanana Teraka Androy eto Madagasikara ) izay nahitana ny solombavambahoaka voafidy tao Tsihombe sy avy amin’ny Faritra Sofia ary Betsiboka ‚ nandinika amin’ny tokony handaminana ny toe-draharaha ao Port Bergé . Nilaza izy ireo fa hisy fidinana ifotony ‚ amin’ity herinandro ity ‚ hikaroham-bahaolana.

Voakiana sahady ity fihaonana ity ‚ nolazain’ireo zanaky ny Faritra Sofia fa olona tsy mahalala ny toe-draharaha sy Zava-misy ihainany mponina ifotony akory ireto nantsoina hifampidinika ireto ka mampanahy amin’ny mety hisiany fanapahan-kevitra petatoko ‚ hampirongatra ny ady eo amin’ny an-daniny sy ankilany na handrangitra ireo efa zatra manao asa ratsy ary ho lombolombony teo ny zavatra hitranga.

Mazava moa ny hafatra napetrak’ireo Ray aman-dReny Sojabe ao Port Bergé ‚ aoka tsy hanao asana « pompiers » ianareo tompon’andraikitra ara-panjakana ‚ faly ny hamono afo ihany fa tsy mijery vahaolana maharitra sy ny homongotra ny fototry ny olana ‚ efa mihatra aman’aina izy ity ka tsy voalefitra intsony . Ireto farany moa nanome 02 herinandro handaminany io raharaha ary nialatsiny sahady amin’ny mety hisiany tranga hafahafa raha tsy misy fandaminana.

DISADISAM-PARAHAMONINA AO PORT BERGÉ : HIDINA HANAO FANDAMINANA NY CFM SY IREO ZANAKA TOLIARA ARY IREO ZANAKA SOFIA AVY ANY ANTANANARIVO▪️ HAMONO AFO SA HANONDRAKA LASANTSY

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

-/-