DEPIOTE MASY GOULAMALY : MIANKINA AMIN’NY FISIAN’NY KANDIDA VEHIVAVY NY FANAPAHAN-KEVINY ‚ HIROTSA-KOFIDINA HO FILOHAM-PIRENENA
« Hirotsa-kofidina ho Filoham-pirenena Malagasy aho‚ raha toa ka tsy misy vehivavy sahy hirotsaka . Tsy maintsy hiroso amin’izany ny tenako na hitondra ireo hetahetan’ireo vehivavy fotsiny aza » hoy Rtoa MASY Goulamaly ‚ Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Tsihombe omaly 19 Febroary 2023 ‚ raha nandritra ny fivoriana niarahana tamin’ireo solontenan’ny firenena maro mikambana ao amin’ny SADC ‚ tany Johannesburg ‚ Afrique du Sud.
Mbola miankina amin’ny fisian’ny kandida vehivavy ho Filoham-pirenena Malagasy amin’ny fifidianana izay kasaina hatao ny 09 Novambra 2023 araka izany ny fanapahan-keviny raha io fanambarana nataony io no asian-dresaka ‚ arahintsika eto ihany ny mety ho tohiny.