a
FandraisanaPolitikaDEPIOTE LANTO RAKOTOMANGA : TSY MITONDRA MAKAIZA NY TSIKERA‼️

DEPIOTE LANTO RAKOTOMANGA : TSY MITONDRA MAKAIZA NY TSIKERA‼️

DEPIOTE LANTO RAKOTOMANGA : TSY MITONDRA MAKAIZA NY TSIKERA‼️

Mbola maro ny olona mankasitraka sy mankahery ny filoham-pirenena amin’ireo ezaka vitany ‚ mihazakazaka miaraka aminy ireo olona manohana azy sady falifaly . Tsotra ny azy‚ izay hitovizanay ‚ andao isika tsy ho variana amin’ireo tsikera sy fifamaliana tsy mitondra makaiza ireny fa raha tsikera mitondra vahaolana dia tena hoe anisany ilaina ao anatin’izay . Andao valiana amin’ny asa ireny ‚ hoy ny Solombavambahoaka Lanto Rakotomanga ‚ miantso ireo mpanohana ny fitondrana namany mba hiara-hientana hatrany amin’ny fampandrosoana ny firenena izay mihazakazaka ankehitriny.

Mahita isika fa tena mihazakazaka be ny asa ataon’ny fitondram-panjakana ,indrindra fa izy mivady andriamatoa filoha sy Mialy RAJOELINA vadiny . Efa vitsy ilay fotoana iasana dia hoe andao ezahina atao “maximum” , vitaina izay azo vitaina rehetra , atomboka izay azo atomboka rehetra mba hidirana any amin’ny mandat manaraka (…)‚ hoy hatrany izy nanamafy fa miasa mafy ny fitondram-panjakana ankehitriny ka tokony mbola hanohy ny ezaka vitany amin’ny “mandat” manaraka.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment