a
FandraisanaVaovaom-paritraDEPIOTE JAO JEAN SY MPANAKANTO VANEY’S : NIKARAKARA FAMORÀNA FAOBE

DEPIOTE JAO JEAN SY MPANAKANTO VANEY’S : NIKARAKARA FAMORÀNA FAOBE

DEPIOTE JAO JEAN SY MPANAKANTO VANEY’S : NIKARAKARA FAMORÀNA FAOBE

Tsy nisy fanavakavahana na iza na iza na avy aiza na aiza fa samy afaka nitondra zanany noforàna teo Kianja mamalaky “Travaux Public” avokoa ny Ray aman-dReny rehetra manan-janaka lahy mbola tsy vita famoràna . Ny Mpanakanto Vaney’s sy Depiote Jao Jean vadiny no nikarakara izany ‚ niarahana niasa tamin’ireo mpitsabo ao CHRR Antsohihy izay tarihiny Médecin Inspecteur ary ireo mpamily Taxi ville.

Ireo mpitsabo manao ny famoràna ; Ny mpanakanto Vaney’s sy ny ekipany mizara lamba malalaka anaovan’ankizy voafora sady manolotra kilalao efa nomanina homena azy ireo ary ny Taxi ville efa voafantina ‚ manatitra ireo ankizy sy ny Ray aman-dReniny any an-tranony mba tsy hampanahirana . Ankoatrizay dia hisy alim-pandihizana mamaimpoana iarahana amin’ny mpanakanto FAYONNE ARMADA sy VANEY’S anio 03 Jolay 2022.

Tazana nanontrona ary nankasitraka ny hetsika ny Governoran’ny faritra Sofia ‚ nohamafisiny fa anisany fomba Malagasy manana ny lanjany eo amin’ny fiarahamonina ny famoràna ka hetsika tsara sy azo alain-tahaka izao nataony solombavambahoaka izao . Nanampy ary nanontrona tao ihany koa ny solombavambahoaka voafidy tao Bealanana.

Tsapanay fa vola be no lany nikarakarana izao hetsika izao koa mankasitraka ny Depiote sy Mpanakanto Vaney’s tsy nanadino anay fa vita famoràna ny zanakay ‚ hoy ireo Ray aman-dRenin’ny zaza voafora nitondra fisaorana . « Tsy misy manana ny ampy fa sambatra kosa izay mifanampy ‚ hetsika efa fataon-tsika isan-taona izy ity ary tsapa fa ilain’ny mpiara-belona ka ataonay ampitiavana ary hitohy hatrany » hy ny mpanakanto Vaney’s.

Anisany famantarana ny Lehilahy Malagasy ary mampiavaka an’i Madagasikara ny famoràna na Lehilahy voafora . Ny foko sasany aza tsy mampiditra lehilahy tsy voafora ao anaty fasan-drazana ‚ ny lehilahy tsy voafora amin’ny fomba sasany dia tsy afaka mandova ‚ Ankotrizay dia hanaovana fety mitalakotrokotroka ny famoràna amin’ny fomba Malagasy ‚ midika izany fa manan-danja sy hasiny manokana ny lehilahy voafora eo amin’ny Malagasy 🌟

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment