DEPIOTE JAO JEAN : MATY NAMELA TANTARA TSY AZO KOSEHINA ETO MADAGASIKARA‼️
Izy no niady voalohany ny hanalalahana ny fivarotana sy fivezivezen’ny toaka Gasy eto Madagasikara ho fampiroboroboana ny seham-piharian’ny tantsaha. Nahafantarana azy ny fiarovan’ireo vahoaka nifidy azy ary fanampiana azy ireo na amin’ny mora na amin’ny sarotra.
Nidaosim-pahafatesana any Maorisy androany 22 Jona 2023 izy‚ ary efa miomana amin’ny fitondrana azy hiverina aty an- Tanindrazana ny vadiny‚ mpanakanto Vaney’s Harinomenjanahary izay niezaka nikarakara azy. Depiote amperinasa ary efa indimy voafidy teto Antsohihy Itompokolahy Rémi dit Jao Jean. Andrasana ny fandaharam-potoana avy amin’ny fianakaviana.
Mirary azy handry ampiadanana