a
FandraisanaToekarenaDEPIOTE IRMAH : AZA MISY NY VINTAGNA RATSY HANAOVANA RAHA TSY MANJARY ▪️MATOKY NY TENAKO AHO

DEPIOTE IRMAH : AZA MISY NY VINTAGNA RATSY HANAOVANA RAHA TSY MANJARY ▪️MATOKY NY TENAKO AHO

DEPIOTE IRMAH : AZA MISY NY VINTAGNA RATSY HANAOVANA RAHA TSY MANJARY ▪️MATOKY NY TENAKO AHO

Tsy teto Madagasikara ny Depiote Naharimamy Lucien Irmah, Filoha Lefitry ny Antenieram-pirenena faritany Toamasina tamin’ireny resaka fanapohana solika izay nahavoatonona anarany teo ireny. Tafaverina eto an-tanindrazana izy ankehitriny ka nitafa tamin’ny mpanao gazety androany alarobia 28 septambra 2022.

Hatreto aloha mbola tsy nanao asa ratsy ary tsy hanao izany. Mbola tsy olom-boafidy ahy dia nipetraka tsara teto Toamasina fa efa nametrahan’ny vahoaka fitokisana ve hisary adala?Sanatria, tsy hanao izany aho. Malalaka ny fanehoan-kevitra ka tsy hanome tsiny ny mpiserasera amin’ny tambazotra sosialy Facebook nanaparitaka iny resaka iny sy ilay Gazety namoaka azy tamin’ny voalohany. Mivavaka ny fanahin’izy ireny aho mba haminindran’ Andriamanitra fo na dia manely tsaho aza », hoy izy teo anatrehan’ny mpanao gazety.

Mahakasika an’ireo olona akaiky azy mpiara-miasa aminy kosa toy izao ny fanazavany:
« Na ny zanaka nateraka aza mety tsy voafehintsika hatramin’ny fanahiny fa ny zavatra azoko ijoroana dia tsy nitaiza azy izy ireo ho amin’ny lalan-dratsy aho. Ny fampandrosoana an’ity tanàna ity no katsahinay sy laharam-pahamehana aminay. Misy tompon’andraikitra mpanao fanadihadiana eto amintsika ka avelao izy ireo hanao ny asany mba hahafantarana ny tena marina », hoy hatrany ity Minisitra teo aloha ity.
Nilaza moa izy fa tsy hitory na iza na iza amin’iny raharaha iny na dia izany aza ny fangatahana sy namporisihana nataon’ny maro. Matoky an’ny Zanahary sy ny fitsarany aho, hoy izy namarana ny teniny sady tsy naka lagy.
______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment