a
FandraisanaRaharaham-pirenenaDEPIOTE FIDÈLE RAZARAPIERA : NOHENTIN’NY SEKRETERAM-PANJAKANA MIADIDY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA NANDOHALIKA AMIN’NY FILOHAM-PIRENENA NY GALONA MAHA JENERALY AZY‼️

DEPIOTE FIDÈLE RAZARAPIERA : NOHENTIN’NY SEKRETERAM-PANJAKANA MIADIDY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA NANDOHALIKA AMIN’NY FILOHAM-PIRENENA NY GALONA MAHA JENERALY AZY‼️

DEPIOTE FIDÈLE RAZARAPIERA : NOHENTIN’NY SEKRETERAM-PANJAKANA MIADIDY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA NANDOHALIKA AMIN’NY FILOHAM-PIRENENA NY GALONA MAHA JENERALY AZY‼️

Tsy tonga saina mihitsy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena na efa natao anjorom-bala sy nasaina nisikina pataloa malalaka tsisy lasitika tamin’ny lanonana fahatsiarovana ireo mahery fo maty hoan’i Tanindrazana ny 29 MARTSA 1947 izay natao tao Mozole sy tao Moramanga.

Tsy isan’ireo nijoro niaraka tamin’ny manam-boninahitra Jeneraly maro niatrika ny lanonana na koa nisafo andian-Tafika tahaka ny mahazatra miaraka amin’ny Filoham-pirenena ny Général de corps d’armée Gellé Serge ‚ izay Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena ankehitriny fa najoro niaraka tamin’ireo sivily sy minisitra ary tao amin’ny laharana faharoa no nisy azy taoriany fiparitahany horonam-peo mirakitra ny hafatra sy baiko nalefan’ny filohan’ny Repoblika izay niteraka resa-be teto amin’ny firenena . Raha ny vaovao mantsy dia Andriamatoa Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena amperinasa no nandefa iny horonam-peo iny tao anaty “ Groupe WhatsApp ” ny Zandarimaria.

Nalaim-baraka sy afa-baraka ny Zandarimariam-pirenena tamin’ireny tranga niseho teny Mozole ireny ‚ ilay kintana efatra ‚ galona faratampony amin’ny foloalindahy no tsy nasian’ny filoham-pirenena hasiny tamin’iny fotoana iny . Tsy ny olona rehetra no afaka milanja sy misalotra ny anarana Jeneraly izany ‚ tsy ny olona rehetra no manana kintana efatra izany ary na oviana na oviana tsy ho ananan’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina mihitsy izany galona Jeneraly izany na mbola andeha hianatra any amin’ny ACMIL aza izy amin’iny taonany ankehitriny iny ka tokony ho tonga saina sy nametra-pialana ianao ho voninahitry ny zandary saingy tsy izany fa nanaitra sy nisintona ny fietsehampon’ny Malagasy ‚ nifona tamin’ny filoham-pirenena ‚ iny galona maha Jeneraly ‚ ilay kintana efatra iny no nohentinao nandohalika tamin’ny filohan’ny Repoblika « Mifona aho ‚ lelafiko ny faladianao fa aza esorina moa izaho e » raha atao mahitsy sy adika iny zavatra nataonao iny mon Général ‚ hoy ny fanehoan-kevitra mavaivay nataon’ny Depiote Fidèle RAZARAPIERA tao amin’ny fandaharana miaramanonja.

Niezaka nisintona ny tànan-dramatoa Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina moa ity farany taorian’iny lanonana teny Mozole iny saingy nahiliky minisitra ary tsy norarahiany fa nilazony niresaka tamin’olon-kafa . Mbola hijanona eo amin’ny toerana maha SEG azy ve ity manam-boninahitra Jeneraly ity sa hametra-pialana ? Mbola atokisan’ny filohan’ny Repoblika ve izy taorian’ireny fifonana nataony ireny ? Ho sahy hanala azy ve ny filoham-pirenena ? Fanontaniana apetraky ny mpanara-baovao.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment