a
FandraisanaVaovaom-paritraDEPIOTE FIDÈLE RAZARAPIERA : HAFAHAFA NY FOMBA NISAMBORANA AN’I LOLA RASOAMAHARO‼️

DEPIOTE FIDÈLE RAZARAPIERA : HAFAHAFA NY FOMBA NISAMBORANA AN’I LOLA RASOAMAHARO‼️

DEPIOTE FIDÈLE RAZARAPIERA : HAFAHAFA NY FOMBA NISAMBORANA AN’I LOLA RASOAMAHARO‼️

Mampametra-panontaniana ary hafahafa ny fisamborana an’i Lola RASOAMAHARO izay Tale jeneralin’ny « LA GAZETTE DE LA GRANDE ÎLE » ‚ nataon’ny zandary ‚ tamin’iray ora maraina ny sabotsy 25 Martsa 2023 teo . Nisy fiara nibahan-dalana toa simba teo amin’ny lalany ka nivoaka hanampy sy hanosika io fiara io ny mpamiliny ka izy nijanona iny no tonga tampoka ireo zandary mirongo fitaovam-piadiana sahala amin’olona hanafika dahalo sy ireny mpaka an-keriny ireny ary nitondra azy teny amin’ny toerana nanaovana famotorana . Ny maraina iny ihany no niroso tamin’ny fisavana ny tranony ireo zandary ary nanatitra azy teny amin’ny fitsarana ny tolakandro ka tamin’ny 08 Ora alina izy nahiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora ‚ hoy Depiote Fidèle RAZARAPIERA nitondra fanazavana tao amin’ny fandaharana miaramanonja androany alatsinainy 27 Martsa 2023.

Voalaza fa olon-tsotra no nitory azy ary tsy misy idirany asa fanaovan-gazety izany hoy ilay vehivavy nitafa tamin’ny mpanao gazety sady namaky ireo antony fitoriany.

Ny fanazavana nataony Depiote Fidèle no nahafantarana fa mpandraharaha matanjaka ‚ zanaka minisitra teo aloha ary anisany nahazo tsena amin’ny fanorenana trano miisa 1 000 ‚ fampanantenana nataon’ny filoham-pirenena izy.

Olon-tsotra ve afaka mampiasa zandary hisambotra olona hatramin’iray Ora maraina ( 01h du matin ) ? Olon-tsotra ve afaka manafaingana ny raharaham-pitsarana sady mampiasa ny fitsarana amin’ny andro sabotsy ‚ eny hatramin’ny andro Alina ? Raha tahaka izany ny fomba fiasan’ny fitsarana dia efa vitsy ny olona any am-ponja satria maro ireo voahendrikendrika nefa nahiditra am-ponja vonjimaika ary tsy mbola voatsara any am-ponja ‚ ireo zandary koa nisahirana amin’ny raharahan’olon-tsotra ka tsy matory hatramin’iray Ora maraina misambotra olona ‚ ireo ao amin’ny fitsarana koa misahirana amin’ny raharahan’olon-tsotra ka miasa andro sabotsy izay andro tsy fiasana ‚ hoy hatrany Depiote Fidèle ‚ nanitrikitrika fa misy zavatra tsy mazava amin’ny fisamborana ity mpanao gazety sady tompony gazety mivoaka isan’andro ity . “ Na ilay vehivavy mpitory aza nihakanakana namaky ilay taratasy mirakitra ny zavatra nanjohy azy satria enjehany eritreritra ? Aiza hisy soratsoratra amin’ny rindrina miisa 40 izany ka tsy ho hitany mpanao Facebook sady tsy naseho sary koa? Notakomany hono nefa mbola niverina indray ary tafakatra 50 mihitsy ? Tena mba nahavita nanisa tokoa …”

Nilaza ho tsy hilefitra amin’ny zava-misy ankehitriny ny « LA GAZETTE DE LA GRANDE ÎLE » fa hijoro hatrany amin’ny maha « Contre-pouvoir » azy . Tsy mbola nandrenesam-peo ny holafitry ny mpanao gazety hatreto ‚ raha efa nanao fanambarana kosa ny FAJM ( Fédération des Associations des Journalistes Malagasy ).

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment