a
FandraisanaPolitikaDEPIOTE DJAOSERA IRÉNÉE : SOLOMBAVAMBAHOAKA IZAHAY FA TSY SOLOMBAVAMBAVAN’NY MPITONDRA FANJAKANA

DEPIOTE DJAOSERA IRÉNÉE : SOLOMBAVAMBAHOAKA IZAHAY FA TSY SOLOMBAVAMBAVAN’NY MPITONDRA FANJAKANA

DEPIOTE DJAOSERA IRÉNÉE : SOLOMBAVAMBAHOAKA IZAHAY FA TSY SOLOMBAVAMBAVAN’NY MPITONDRA FANJAKANA

Samy voafitaka isika ‚ na izahay na ianareo izay nitaominay nanohana ny laharana faha-13 tamin’ny fifidianana farany teo . Aman-taonina maro ny lavanio mivoaka avy amin’ny faritra Sofia kanefa na olona iray aza tsy manana “ agrément ” fahazahoan-dalana manondrana izany any ivelany ‚ toraka izany koa ny drakaka ( crabe ) izay mampalaza iny faritra iny fa indrindra ny Distrika Analalava . Tsy rariny ‚ tsy hitsiny ‚ marary ary tena marary ny mandinika ny toedraharaha ankehitriny ‚ vola avy amin’ny faritra tsy miverina aminy fa gizana sy hanaovana zavatra hafa ka tsy azo ekena izany‚ ndao isika hiaraka hanova zavatra ‚ hoy Solombavambahoaka voafidy tao Analalava – DJAOSERA Irénée nandritra ny fanokafana ny MIHAVA TOUR niaraka tamin’ny SITENY Randrianasoloniaiko tao Fenerive Atsinanana.

Solombavambahoaka izahay fa tsy Solombavan’ireo mpitondra fanjakana ‚ izay maharary vahoaka ‚ maharary anay ka tsy maintsy mijoro izahay satria ianareo vahoaka no sefonay . Tsy mbola fampielezan-kevitra izao fa fandraisana an-tsoratra sy fihainoana izay maharary ny vahoaka ‚ afahana manasitrana azy ‚ sahala amin’ny mpitsabo ihany io ‚ tsy maintsy mamantatra izay manjohy ny marary izy vao manome fanafody hitsaboina azy ‚ hoy hatrany ity Solombavambahoaka IRD diso fanantenana tamin’ny fitondrana ity.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment