a
FandraisanaVaovaom-paritraDÉLESTAGE ANTSOHIHY : MITAKY NY HANESORANA TSY MISY HATAK’ANDRO IREO TEKNISININA REHETRA AO FIRST ÉNERGIE NY GOVERNORAN’NY FARITRA SOFIA▪️EFA ENY AN-DALANA NY MILINA VAOVAO HAFA

DÉLESTAGE ANTSOHIHY : MITAKY NY HANESORANA TSY MISY HATAK’ANDRO IREO TEKNISININA REHETRA AO FIRST ÉNERGIE NY GOVERNORAN’NY FARITRA SOFIA▪️EFA ENY AN-DALANA NY MILINA VAOVAO HAFA

DÉLESTAGE ANTSOHIHY : MITAKY NY HANESORANA TSY MISY HATAK’ANDRO IREO TEKNISININA REHETRA AO FIRST ÉNERGIE NY GOVERNORAN’NY FARITRA SOFIA▪️EFA ENY AN-DALANA NY MILINA VAOVAO HAFA

 May sahady ny ( régulateur ) milina vaovao natolotry Governoran’ny Faritra Sofia ny 05 Janoary 2023 teo . Nangataka ny hisiany fiarahamiasa eo amin’ny JIRAMA sy FIRST ÉNERGIE amin’ny fametrahana ilay vaovao farany teo saingy nandà izany ny tompon’andraikitra ao amin’ny First Énergie ary nangataka 05 andro amin’ny fametrahana ny milina vaovao miaraka amin’ny Teknisinina azy ihany ‚ raha ny fanazavana.

Tapitra ihany ny 05 andro ‚ tsy voavaha ny olàna ary may ny milina vaovao ‚ midika tsy fahafehezana sy tsy fahamatorana izany ary nandainga amin’ny Governora sy vahoaka ato amin’ny Faritra Sofia izy ireo ka takiana ny hanoloana ireo Teknisinina rehetra ao amin’ny FIRST ÉNERGIE ANTSOHIHY tsy misy hatak’andro ‚ hoy ny Jeneraly Lylyson René de Rolland ‚ Governoran’ny Faritra Sofia.
Ankoatrizay ‚ efa niala any Antananarivo ny ariva teo ny milina vaovao hafa hanampy sy hamahana ny olàny fahatapahany herinaratra eto Antsohihy.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment