DAVID JEANNICK DIEU DONNE : VOATENDRY HO LEHIBEN’NY DISTRIKA AO TSARATANANA
Ifandimbiasana ny toerana ‚ mihodikodina manerana an’i Madagasikara ireo mpiasam-panjakana ‚ manompo vahoaka ‚ vao misotro ronono . Voatendry hanohy ny asa maha lehiben’ny Distrika azy any Tsaratanana ‚ Atoa DAVID JEANNICK DIEU DONNE ‚ nandritra ny filan-kevitry ny Minisitra nivoaka androany 05 Oktobra 2022.
Lehiben’ny Distrika tao Analalava teo aloha . Fahaizana miaramonina amin’ny mpiarabelona sy ny fananany traikefa ary fahafehezana ny asany no heverina ho nanomezana andraikitra azy sy natokisany fitondram-panjakana azy . Miarahaba sy mirary soa azy amin’ny adidy makadiry izay miandry azy.
______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.