a
FandraisanaVaovaom-paritraDAHALO MPANGALATR’OMBY AN-JATONY NIFANDONA SY NIFAMPITIFITRA TAMIN’NY ZANDARY SY MIARAMILA TAO AMIN’NY KAOMININA VASINA MANDOTO : MISY MIARAMILA SY ZANDARY MATY VOATIFITRA‼️

DAHALO MPANGALATR’OMBY AN-JATONY NIFANDONA SY NIFAMPITIFITRA TAMIN’NY ZANDARY SY MIARAMILA TAO AMIN’NY KAOMININA VASINA MANDOTO : MISY MIARAMILA SY ZANDARY MATY VOATIFITRA‼️

DAHALO MPANGALATR’OMBY AN-JATONY NIFANDONA SY NIFAMPITIFITRA TAMIN’NY ZANDARY SY MIARAMILA TAO AMIN’NY KAOMININA VASINA MANDOTO : MISY MIARAMILA SY ZANDARY MATY VOATIFITRA‼️

Nafana ny fifanjevoana ary tena nahery vaika tokoa ka resi-tosika ny miaramila sy zandary niaraka tamin’ny fokonolona izay nanara-dia omby 50 mahery noravain’ny dahalo an-keriny tao Imolo‚ kaominina Vasina Distrikan’i Mandoto Faritra Vakinankaratra omaly 16 Jona 2023.

Raha ny fampitam-baovao dia misy miaramila kaporaly sy zandary iray maty voatifitra ary misy olona 04 sivily naratra vokatry ny fifandonana.

Dahalo 20 mahery nirongo fitaovam-piadiana no tonga nandrava omby teo an-tanàna‚ nitombo iisa kosa izy ireo ary tafakatra an-jatony rehefa raikitra ny fifanjevoana tany anatiala nandritra ny fanarahan-dia natao.

Efa nisy ny fepetra noraisin’ny fitondram-panjakana manoloana izany‚ nandefa miaramila sy zandary hanampy iisa ireo efa any an-kianja‚ efa nifarana ihany koa ny angidimby ho ampiasaina mandritra ny hetsika‚ hitaterana sy amonjena ny ain’ireo naratra vokatry ny fifandonana‚ araka ny fanazavana.

Fotoana tahaka izao ilana sy ahatsiarovana manokana an’ny Jeneraly Lylyson izay tsy mahazaka mandre fa misy dahalo mpampihorohoro vahoaka‚ izy no nahavita nampandry tany tamin’ireo faritra mena amin’ny asan-dahalo fa indrindra ny halatr’omby izay niverina nahazo vahana sy amoizana ain’ny mpitandro filaminana izao‚ hoy ny olom-pirenena maneho ny heviny ary mahatsiaro ireo ezaka vitan’ny Kolonely Lylyson tamin’izany fotoana. Heverina fa misy Zandary na miaramila manana ambom-po sy manana ny maha izy azy eto amin’ny firenena afaka mampandry tany ary mandemy tanteraka ireo dahalo mpampihorohoro vahoaka‚ hoy hatrany ny olom-pirenena matoky ny traikefa sy fahaiza-manaon’ireo mpitandro filaminana izay nanolo-tena ho an’ny Tanindrazana.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment