CU ANTSOHIHY : NISITRAKA FITAOVANA AVOLENTA AVY AMIN’NY FITONDRAM-PANJAKANA‼️
“Imprimante professionnel” miisa 02‚ “Ordinateur de bureau” miisa 02‚ “Onduleur” miisa 02‚ no azony kaominina ambonivohitry Antsohihy androany 14 Jona 2023.
Fanomezana avy amin’ny fitondram-panjakana tarihin’ny filoha Andry Rajoelina‚ tamin’ny alalany minisiteran’ny Ati-tany sy fitsinjaram-pahefana‚ hoentina hanafainganana ny fampandehanan-draharaha eo anivon’ny kaominina izy ity ary tena ilaina tokoa‚ hoy ny Ben’ny tanàna NASIRY Ali‚ nisaotra sy nankasitraka ny fitondram-panjakana sady nandray ampitiavana ireto fitaovana ireto.