a
FandraisanaSosialyCU ANTSOHIHY : NANAISOTRA ILAY HAZO VAVENTY NIDARABOKA TEO AMIN’NY LALANA ARY NANADIO

CU ANTSOHIHY : NANAISOTRA ILAY HAZO VAVENTY NIDARABOKA TEO AMIN’NY LALANA ARY NANADIO

CU ANTSOHIHY : NANAISOTRA ILAY HAZO VAVENTY NIDARABOKA TEO AMIN’NY LALANA ARY NANADIO

Nampanahirana ny fifamoivoizana ny fisian’ny hazo vaventy lavo tampoka teo anivon-dalana akaikin’ny Sekoly “La Providence” Ambalabe Est Antsohihy ‚ androany 25 Janoary 2023 . Nisy ny fidinana ifotony nataon’ny kaominina ambonivohitry Antsohihy sy ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny tobim-paritry Zandary Antsohihy niaraka tamin’ny fitaovana fanadiovana sy fanapahana hazo.

Ny tolakandro teo dia efa nalalaka ny lalana ary afaka nivezivezy ny fiara ‚ niara nihentana tamin’ny fanadiovana sy fanesorana haingana ireo hazo miaraka amin’ny fako izay navelany ireo tompon’andraikitra avy ao amin’ny kaominina izay notarihiny Ben’ny tanàna NASIRY Ali sy ny zandary notarihiny Cdt Brigade GN Antsohihy ‚ André Désiré.

Anatin’izao fotoam-pahavaratra sy rotsa-korana izao dia mety ho dibo-drano ireo faritra iva ary tsy atokisana ny hazo manamorona ny trano na lalana ka mety ho lavo tampoka ‚ ilana fahamailoana izany ‚ aza sasatra mampita vaovao haingana aty aminay raha misy tranga hafahafa eny amintsika mba afahana mandray fepetra haingana mifanaraka amin’ny tranga ary malalaka sy afaka mandray atsika traboina ny Tranompokonolona izay tsy anavahan’olona ‚ hoy ny Ben’ny tanàna NASIRY Ali niantso ny rehetra ho malina ary hanaraka toromarika omeny manampahefana ifotony.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment