CU ANTSOHIHY : MITOHY NY FANADIOVANA TANÀNA ‚ LALAN-DRANO ATAON’NY KAOMININA
Ny ariva teo ‚ tao anaty orana mikija sy rivotra mifofofo no tazana manadio lalan-drano ‚ manala ireo fakon-tsika ny tompon’andraikitra eo anivon’ny kaominina ambonivohitry Antsohihy.
Tsiahivina fa tsy vao sambany ary efa matetika diovina sy esorina ny fako amin’ny lalan-drano sy manodidina ity toerana ity na maintany na fotoam-pahavaratra tahaka izao fa teo ihany ny teo fa na manao ezaka ny tompon’andraikitra.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.