a
FandraisanaSosialyCU ANTSOHIHY : MITOHY NY FAMETRAHANA JIRO MAZAVA ENY AMIN’NY FOKONTANY▪️ NAHAZO NY ANJARANY ANDOHARANO SY ANTANAMPIZINA ARY ANDONGONA

CU ANTSOHIHY : MITOHY NY FAMETRAHANA JIRO MAZAVA ENY AMIN’NY FOKONTANY▪️ NAHAZO NY ANJARANY ANDOHARANO SY ANTANAMPIZINA ARY ANDONGONA

CU ANTSOHIHY : MITOHY NY FAMETRAHANA JIRO MAZAVA ENY AMIN’NY FOKONTANY▪️ NAHAZO NY ANJARANY ANDOHARANO SY ANTANAMPIZINA ARY ANDONGONA

Taratry ny fandrosoana misy amin’ny tanàna iray ny fisian’ny jiro manazava tanàna rehefa maizina ny andro na alina ‚ Vina sy fampanantenana nataon’ny Ben’ny tanàna NASIRY Ali rahateo izany mba afahan’ny rehetra miaina anaty hazavana sy fandriampahalemana.

Efa samy nahazo ny anjarany avokoa ny sekretera sy fokontany maro izay heverina ho nataon’ny sasany ankilabao hatrizay ‚ toy ny ao Bekitrobaka ‚ Ambalapamba ‚ Beloy ‚ Antampizina ‚ Andoharano ‚ Andongona… Ary hitohy amin’ny fokontany rehetra manerana ny kaominina izany ho fampandrosoana maharitra.

Ankoatrany fizarana jiro mazava dia miezaka amin’ny famahana ny olàn’ny vahoaka eny ifotony ny Ben’ny tanàna NASIRY Ali ‚ raha tsy hitanisa afa tsy ny fanamboaran-dalana amin’ny fokontany maro sy fametrahana fotodrafitr’asa ‚ vovon-dRano fisotro madio.
_____________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment