a
FandraisanaFahasalamanaCSB II AMPANEFENA – VOHEMAR : MODY MAINA IZAY MARARY TSY MANAM-BOLA

CSB II AMPANEFENA – VOHEMAR : MODY MAINA IZAY MARARY TSY MANAM-BOLA

CSB II AMPANEFENA – VOHEMAR : MODY MAINA IZAY MARARY TSY MANAM-BOLA

Soratra sy fiatsarambelatsihy fotsiny io hita eo ambaravarana hiditra amin’ny mpitsabo ao amin’ny CSB II ao Ampanefena Vohemara io fa mifanohitra amin’io ny tena zava-misy marina ‚ hoy ireo avy nandalo tao amin’ity hopitalim-panjakana ity velon-taraina amin’ny fakana vola mihoapampana ataony mpitsabo sasany ao ‚ fa indrindra rehefa tsy ao an-toerana ny lehibeny ( médecin chef ).

« TSY MANAO NA MANDRAY KOLIKOLY NY CSB II AMPANEFENA » io no hita mivandravandra eo ambaravarana raha hiditra amin’io toeram-pitsaboana io . Manaitra sy manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana mahefa ‚ ny Minisitry ny fahasalamam-bahoaka ny mponina any an-toerana rehefa tsy sahy na handray andraikitra ny manampahefana tandrify izany eny ifotony . Voalaza fa betsaka ireo marary mody maina rehefa tsy manam-bola ‚ natao ho an’ny vahoaka tsy an-kanavaka ve sa hoan’ny mpanambola no nametrahana azy ity ? Hoy ny fanontaniana apetraky ny mpanara-baovao.
______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment