CROIDYS dit LEDYS DE MADAGASCAR – FILOHA NASIONALY NY FIKAMBANANA SONOSE/MADA : NITONDRA FANAZAVANA MOMBA CRINFP‼️
CRINFP (Centre Régional de l’INFP) ny fanalavana azy‚ Miisa 28 izy io eto Madagasikara. 10 amin’izany manofana manokana ireo hampianatra amin’ny Kolejy (CEG)‚ 18 kosa manofana olona hampianatra amin’ny ambaratonga voalohany (EPP)‚ iray isaky ny “ex-province” kosa ny ivon-toeram-panofanana olona hampianatra “préscolaire” sy ho mpampianatra amin’ny “primaire”. Raha ao amin’ny faritanin’i Toamasina ohatra dia ao amin’ny CRINFP Fénérive-Est.
Tato anatiny 4 taona dia mbola 1 ihany ny concours hidirana miofana ao amin’ny CRINFP (tamin’ny 2019), antoky ny fahatsaran’ny Kalitaon’ny fampianarana sy fanabeazana anefa ny fahampian’ny olona voahofana misehatra amin’ny fampianarana rariny ihany raha hiroborobo hatrany ny FRAM, nefa ny MEN mamoaka note misakana ny tsy handraisan’ny sekoky olona hiditra ho Mpampianatra karamain’ny FRAM hatramin’ny taona 2014, ary mbola nohamafisina izany tamin’ny taona 2020 iny.
Raha ny tokony ho izy anefa dia vao lasa manao « Stage Pratique » mandritra ny taom-pianarana iray ny ao dia tokony efa misy promotion zandry misolo toerana azy ireo ao amin’ny centre, ary raha tafaverina avy manao « Stage pratique » io ny promotion zoky dia tokony efa mandeha manao stage pratique indray ny zandry, de toy izany hatrany no atao tokony hatao. Tsara ny manamarika fa 2 taona ny faharetan’ny fiofanana, ka ny 1 taona voalohany dia fiofanana TEORIA izay elanelanin’ny « Stage d’observation » sy « Stage sous tutelle », ireo stages 2 ireo dia samy misy « rapport de stage » atao avokoa, ary ny 1 taona faharoa sady farany dia fandehanana manao « Stage PRATIKA » mandritra ny taom-pianarana iray sy fanaovana « mini mémoire ». Ka raha tiana ny hahafoana haingana ny FRAM dia io no tokony imasoana ary ampitomboina ny « infrastruture » handraisana ny mpiofana, ampitomboina ny raisina amin’ny concours ary ampitomboina ny mpampiofana araka ny filàna isaky ny faritra, ary io toeram-piofanan’ny Mpampianatra isaky ny Faritra ireo dia mendrika hatao manara-penitra voalohany indrindra satria ny fananana Mpampianatra tsara hofana sy miofana amin’ny toerana tsara no miantoka voalohany indrindra ny kalitaon’ny fampianarana‚ hoy ny Filohan’ny fikambanana Sonose Madagascar Atoa CROIDYS dit Ledys de Madagascar nitondra fanazavana sady naneho ny heviny.