a
FandraisanaFahasalamanaCR MAROMANDIA ‚ ANALALAVA : ZAZA TELO MIRAHALAHY ▪️MILA VONJY FA MIHENDAKENDAKA NY HODINY ARY MANGIDIHIHY

CR MAROMANDIA ‚ ANALALAVA : ZAZA TELO MIRAHALAHY ▪️MILA VONJY FA MIHENDAKENDAKA NY HODINY ARY MANGIDIHIHY

CR MAROMANDIA ‚ ANALALAVA : ZAZA TELO MIRAHALAHY ▪️MILA VONJY FA MIHENDAKENDAKA NY HODINY ARY MANGIDIHIHY

Tsy fantatra izay mahazo ireto zaza ireto fa efa niala nenina ‚ nitondra azy amin’ny toeram-pitsaboana rehetra amin’iny tapany avaratra manodidina ny tanànan’i Maromandia Distrika Analalava iny ‚ eny hatrany Ambanja aza ny Ray aman-dRenin’ireto Zaza telo mirahalahy ireo fa tsy nahitam-bahaolana fa ny vola ihany no lany tamin’ny fitetezana ny toeram-pitsaboana ka lany hevitra tanteraka.

Mangidihidy ary mihendakedaka ny hoditr’ireto zaza ireto ‚ manomboka avy amin’ny hodi-doha ka hatrany ampaladia ary ny vatana iray manontolo feno mangidihidy . Mihorinkoditra ‚ mangorintsina ( mikoriaka aina ) ny ankamaroan’olona tsy zatra mahita azy ireo.

 Efa hatramin’ny fahazazan’i Tombo Samuel Francky izay feno 16 Taona amin’ity 2023 ity no nahitana io tranga hafahafa io ‚ toraka izany koa i Tombo Francel Mamio zandriny 06 taona ankehitriny ary Safidison Stanio izay vao 18 volana monja . Efatra mianadahy izy zanaka Ray aman-dreniny fa ny mampametra-panotaniana ny anambavin’izy ireo izay teraka teo anelanelany Francky sy Francel ‚ tsy nahitana ity tranga hafahafa ity hoy ny fanazavana.

Mila vonjy sy torohevitry avy amintsika ireto fianakaviana ireto ka ndeha hifanohana fa samy Malagasy . Ao amin’ny fokontany Marovato sud ‚ kaominina Maromandia Distrikan’i Analalava no misy azy ireo.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment