a
FandraisanaVaovaom-paritraCR AMBOHIMISONDROTRA BEALANANA : TRANO AMPOLONY MARO MAY NODORAN’NY MERSENERAN’NY DOKOTERA SY NY EKIPANY▪️ZAZA AMAM-BEHIVAVY TORANA VOATORA-BATO ARY NANAOVANA FIRAISANA TAMBABE AVEO

CR AMBOHIMISONDROTRA BEALANANA : TRANO AMPOLONY MARO MAY NODORAN’NY MERSENERAN’NY DOKOTERA SY NY EKIPANY▪️ZAZA AMAM-BEHIVAVY TORANA VOATORA-BATO ARY NANAOVANA FIRAISANA TAMBABE AVEO

CR AMBOHIMISONDROTRA BEALANANA : TRANO AMPOLONY MARO MAY NODORAN’NY MERSENERAN’NY DOKOTERA SY NY EKIPANY▪️ZAZA AMAM-BEHIVAVY TORANA VOATORA-BATO ARY NANAOVANA FIRAISANA TAMBABE AVEO

Manjakana ny habibiana sy fanjakany baroa any Ambanivohitra ‚ tranga niseho tao amin’ny fokontany Andranomadio ‚ kaominina Ambohimisondrotra Distrikan’i Bealanana ity mampihoron-koditra niseho ny volana aogositra 2022 teo.

Niditra an-keriny tao Antanimbaribe ‚ fokontany Andranomadio ireo voalaza ho merseneran’ny dokotera mpandidy ao Ambatoriha ‚ nitondra basy sy antsy lava lela ary nandefa tora-bato mba handrava tany sy vokatra ( lavanio ‚ café ‚ vary … ) ao aminy ka vaky nandositra namonjy ny ainy araka izany ny vahoaka sisa tavela teo an-tanàna ; misy ireo tsy afaka nandositra ka nanakaton-trano saingy nidiran’izy ireo an-keriny tao ‚ vokany : zazakely iray vaky loha voatora-bato ‚ vehivavy iray torana voatora-bato ary nanaovan’ireo mersenera firaisana tambabe aveo ( afaka ny lambako rehetra sady nadikidiky izaho rehefa nahatsiaro tena ) ‚ tovolahy iray voatora-bato sy mbola afaka nandositra saingy voahambana basy ary nodarohina rehefa tratra ka torana ‚ Renim-pianakaviana iray efa nahazo taona voatora-bato teo amin’ny tànany ary mbola miaritra marary izy hatramin’izao . Ankoatrizay dia nodaran’ireo mersenera ny trano sy TONY fanompoan-dRazana ary narodan’izy ireo aveo.

Tsy mbola misy voasambotra na iray aza ireo tompon’antoka amin’izany rehetra izany hatreto fa miriaria sy miaina milamina ary matoky fa manana an’ny Dokotera lava-tànana sady manam-bola hanaovana tsolotra ‚ hanakomana ny mason’ny fitsarana sy zandary araka ny resaka miely any an-toerana . Efa nisy fitorohana sy fitarainana nalefa tao amin’ny Borigadin’ny Marotolana saingy tsy fantatra mazava izay tena niafarany hatreto.

Efa nisy ny tatitra nataon’ny zandary tamin’ny lehiben’ny fampanoavana ao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany Antsohihy momba ny tranga araka ny loharanom-baovao ka mampametra-panontaniana ‚ nampanginina ve ny raharaha sa nojabain’ilay Dokotera tamin’ny volabe tokoa ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny fitsarana sy ny zandary ka tsy sahy misambotra ireo voatondro ho nanao herisetra ireto ?

Arahintsika eto ny mety ho tohin-draharaha fa ahiana ny mety mbola hisiany fifandonana mafy kokoa ary hiafara amin’ny rà mandriaka ao Andranomadio ‚ noho ny fibodoana tany sy vokatra lavanio tombanana ho 20 taonina ao an-tsaha . Milaza ho manana taratasy ara-dalàna mantsy ireo voalaza ho merseneran-dradoko ary tsy hiala eo amin’ny tany ary tsy hanaiky ny vokatra ao anatiny ho kitihina ihany koa raha tsy efa manana taratasy mahatohitra izany ireo vahoaka MPAMBOLY lavanio . Midika izany fa ny Dokotera sy ny ekipany no hioty ny vokatra lavanio nambolen’ireo vahoaka efa nihaina sy nivelona ary namboly lavanio an-taonany maro ( zafin-drazana fahadimy ireo namboly lavanio ary tombanana ho 300 taona izy sy ny razany nipetraka teo ka izao voaroaka izao ).

Miantso ny fotondram-panjakana Mahefa araka izany ‚ ny solombavam-bahoaka ‚ Governoran’ny Sofia ary indrindra ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ireo vahoaka MPAMBOLY mba hisitrahany ny lavanio izay navoliny amin’io tsenan’ny lavanio ho avy io ‚ ary indrindra hijery akaiky sy hitondra vahaolana mba hiverenany taniny sy ny voliny ary vokatra maro hoazy ireo vahoaka mahatsiaro ho voatsindry noho ny tsy fananam-bola be sy tsy fahaizana olona ambony ao amin’ny fitsarana sy ny biraon’ny fananan-tany.
_______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment