a
FandraisanaToekarenaCNV SY MINISTERAN’NY VAROTRA : MIANTSO NY MPANDRAHARAHA MPANONDRANA LAVANILA HIVORY ANY ANTANANARIVO

CNV SY MINISTERAN’NY VAROTRA : MIANTSO NY MPANDRAHARAHA MPANONDRANA LAVANILA HIVORY ANY ANTANANARIVO

CNV SY MINISTERAN’NY VAROTRA : MIANTSO NY MPANDRAHARAHA MPANONDRANA LAVANILA HIVORY ANY ANTANANARIVO

Tsy mbola tapitra akory ny 72 nanaovana fanambarana an-taratasy dia nandray fanapahan-kevitra ny hitafa sy hidinika amin’ireo mpisehatra amin’ny lavanila ny CNV izay nangatahina ho foanana sy ny ministera izay nasaina nametra-pialana.

Nampiantso mpisehatra amin’ny lavanila hivory ao amin’ny Hôtel Carlton ‚ Antananarivo izy ireo ny alatsinainy 27 Martsa 2023 ‚ mba handinihana manokana momba ny varotra anatiny sy iraisam-pirenena.

Tsy maintsy tonga any Antananarivo araka ny fanamafisana ao anaty fampahafantarana fivoriana izany ireo mpandraharaha mpanondrana lavanila izay any Antalahy faritra SAVA no misy ny ankamaroany ny sasany avy amin’ny faritra saro-dalana . Andrasana ny mety vahaolana maharitra aoriany dinika hiarahana.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment