a
FandraisanaVaovaom-paritraCNE TOBIAS : RONGONY 1 640KG▫️SARONA TAO ANATY IRAY VOLANA

CNE TOBIAS : RONGONY 1 640KG▫️SARONA TAO ANATY IRAY VOLANA

CNE TOBIAS : RONGONY 1 640KG▫️SARONA TAO ANATY IRAY VOLANA

Miseho amin’ny endriny maro isan-karazany ny tsy fandriampahalemana eto Madagasikara ‚ anisany fototra mahatonga izany ny firongatry ny fiparitahan’ny zava-mahadomelona toy ny Rongony sns . Manao ezaka rehetra hamongorana izany ny zandary miasa ato amin’ny vondrontobim-paritra Antsohihy izay tarihiny Kapiteny Tobias Andriantsihoarana ‚ komandin’ny vondron-tobim-paritra Antsohihy.

Rongony miisa 26 gony ‚ milanja 400 kg indray no tratehaka tao Anketraka ‚ kaominina Bendrarezona ‚ Bealanana ny 09 Septambra 2022 teo . Teo ampilanjana entana no nifanehitra tampoka tamin’ny zandary efa nahazo loharanom-baovao marimpototra avy tamin’olona tsara sitra-po ka vaky nandositra ireto farany ary navelany teo ny entana . Nodorana avy hatrany moa izy ireo araka ny fanazavana.

Tafakatra 1 640 kg raha atambatra ny Rongony efa tratra sy nodorana tao anaty iray volana monja ‚ hoy ny Kapiteny Tobias izay nanamafy ny fahavononany amin’ny fiarahamiasa sy fiarahamisalahy amin’ny vahoaka ‚ amin’ny famongorana ny asa ratsy.
_______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment