a
FandraisanaVaovaom-paritraCNE NANTENAINA ‚ CHEF GAPJ : IREO MPITORY NO MAMPITARAZOKA NY FANADIHADIANA AO ANDRANOMADIO

CNE NANTENAINA ‚ CHEF GAPJ : IREO MPITORY NO MAMPITARAZOKA NY FANADIHADIANA AO ANDRANOMADIO

CNE NANTENAINA ‚ CHEF GAPJ : IREO MPITORY NO MAMPITARAZOKA NY FANADIHADIANA AO ANDRANOMADIO

Manoloana ny tranga misy ao Andranomadio ‚ CR Ambohimisondrotra – Distrikan’i Bealanana dia efa nisy fitarainana tonga ao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany ary efa nandefa izany any amin’ny Vondrona misahana heloka bevava eo anivon’ny zandary ( GAPJ : Groupe d’Appui à la Police Judiciaire ) mba afahana mamotopototra tsara sy mandray fepetra amin’ireo voatondro ho tompon’antoka amin’ny tranga mampihoron-koditra niseho.

Nilaza moa ny CNE Nantenaina Noëlo ‚ lehiben’ny vondrona misahana ny heloka bevava eto Antsohihy fa efa tonga tao aminy ‚ hatramin’ny 28 Aogositra 2022 teo ny fitarainana saingy tsy mbola tratra antso tamin’ny finday ireo mpitoroka fa na izany ‚ tsy mipetrapotsiny fa mikendry hatrany ny hisiany filaminana eny ifotony.

Efa nisy ihany koa ny fifampiresahana niaraka tamin’ireo mpitoroka nataony zandary androany 09 Septambra 2022 ‚ tamin’ny alalany finday ka nilaza ho tonga hatao famotorana ireo mpitoroka . Nanamafy moa ny zandary fa vonona amin’ny fandraisana fepetra araka ny lalàna rehefa voamarina ao anaty famotorana izay atao ny fisiany tranga sy fanitsakitsahana ny zo maha olona . Arahintsika eto ihany ny mety ho tohin-draharaha sy fepetra raisin’ny fotondram-panjakana amin’ny fandaminana ny raharaha Andranomadio ‚ izay ahiana hamoizana ain’olona maro mandritra ny tsenan’ny lavanio tsy ho ela io.
_______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment