CISCO BEFANDRIANA-AVARATRA: MIATO NY FAMPIANARANA
Tafiditra ao anatin’ny fepetra loko mavo ny faritra Sofia amin’ny fandalovan’ny rivo-doza CHENESO. Nohon’izany dia nandray fepetra ny lehiben’ny Cisco Befandriana-Avaratra TONGASOA Gérard Andrix fa miato ny fampianara rehetra maneran’ny Cisco Befandriana-Avaratra.
Iangaviana ireo talen-tsekoly rehetra na miankina na tsia miankina amin’ny fanjakana mba handefa mpianatra mody ‚ hoy ny lehiben’ny faripiadidim-pampianarana ‚ raha nanamafy fa miverina amin’ny laonina avy hatrany ny fampianara raha lasa ny rivo-doza.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.