a
FandraisanaVaovaom-paritraCENI SOFIA : NOMENA TAMBIN-KARAMA IREO VAOMIERA IFOTONY MPANISA MPIFIDY‼️

CENI SOFIA : NOMENA TAMBIN-KARAMA IREO VAOMIERA IFOTONY MPANISA MPIFIDY‼️

CENI SOFIA : NOMENA TAMBIN-KARAMA IREO VAOMIERA IFOTONY MPANISA MPIFIDY‼️

Aty Antsohihy renivohitry ny faritra Sofia‚ nitarika atrik’asa tao amin’ny Maison des élus Atoa Fidimiafy Roger‚ Mpanolotsaina sady tompon’andraikitra miahy ny faritra Sofia avy any amin’ny CENI foibe.

Dinik’asa fanentanana sy famporisihana ireo vaomiera ifotony mpanisa mpifidy ato amin’ny faritra Sofia ary fizarana ny vola tambin-karaman’izy ireo no natao androany 22 Mey 2023‚ raha ny fanazavana.

Mitana laharana voalohany manerana an’i Madagasikara ny faritra Sofia tamin’ny asa natao sy farisihana‚ lohalaharana amin’ny Distrika 119 manerana an’i Madagasikara ny Distrikan’i Befandriana avaratra‚ hoy hatrany ireo tompon’andraikitra nanazava sady nanentana ny olom-pirenena rehetra‚ hanamarina sy hisoratra anarana ao anaty lisi-pifidianana fa mbola tsy tara.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment