CENI : LAHARANA FAHATELO AMIN’NY FAHABETSAHAN’OLONA NISORATRA ANARANA ANATY LISIM-PIFIDIANANA NY FARITRA SOFIA‼️
Tafakatra hatramin’ny 553 906 ny iisan’olom-pirenena nisoratra anarana anatin’ny lisim-pifidianana ato amin’ny faritra Sofia raha ny antotan’iisa vonjimaika navoakany ny CENI omaly 11 April 2023.
Laharana faha-03 amin’ny faritra 23 izy ary izy ‚ raha ny faritra Analamanga sy Vakinankaratra no mitana laharana voalohany sy faharoa.
Tsikaritra ihany koa fa ambany noho ny isan’olona nisoratra anarana tao amin’ny Distrikan’i Befandriana avaratra ( 111 467 ) ‚ izay mitana laharana voalohany ato amin’ny faritra Sofia ‚ ny ao amin’ny faritra Melaka iray manontolo izay 110 875.
Haparitaka eny amin’ny fokontany ireo lisitra vonjimaika ireo mba afahan’olom-pirenena manamarina na tafiditra na tsia ao anaty lisim-pifidianana . Ao anaty 20 andro no hanaovana izany rehetra izany ‚ mbola afaka misoratra anarana izay mbola tsy tafiditra anatin’ny lisitra raha ny fanazavana.
9 623 662 no isan’olona tafiditra voasoratra vonjimaika ao anaty lisim-pifidianana manerana ny Nosy ‚ izay tsy misasaka amin’isan’olombelona miaina eto Madagasikara.