a
FandraisanaVaovaom-paritraCAMPUS MANINDAY TOLIARA : LEHILAHY TRATRA NANGALATRA▪️MATY NODORAN’NY MPIANATRA

CAMPUS MANINDAY TOLIARA : LEHILAHY TRATRA NANGALATRA▪️MATY NODORAN’NY MPIANATRA

CAMPUS MANINDAY TOLIARA : LEHILAHY TRATRA NANGALATRA▪️MATY NODORAN’NY MPIANATRA

 Efa nisy mpangalatra tratra ny sabotsy 11 Febroary 2023 teo tao amin’ny Campus Maninday Toliara ‚ efa saika nataon’ny mpianatra fitsaram-bahoaka noho ny firongatry ny halatra ao amin’ny Campus ka leo tanteraka ny mpianatra araka ny fampitam-baovao saingy tonga ny fianakaviany sy ny mpitandro filaminana ka navela teo ampelatanan’izy ireo ilay mpangalatra.

Lehilahy iray hafa indray voalaza fa tratra nangalatra ny alin’ny alahady 12 Febroary 2023 hifoha ny alitsinainy 13 Febroary 2023 tao amin’ny Campus Maninday ihany ka nampiharan’ireo mpianatra ny hatezerany ary nidorany aveo ka maty araka ny hitantsika eo amin’ny sary ‚ tokony ho tamin’ny 02 Ora maraina ‚ raha ny fampitam-baovao voaray.

 Tsy mbola tonga any an-toerana ny mpitandro filaminana hatramin’ny 08 Ora sy sasany maraina ‚ fotoana izay nahazahoanay vaovao farany . Mandrahona ny hanao valifaty ny fianakavian-drangahy maty nodorana ity ka mihorohoro ny mpianatra ao amin’ny Oniversiten’i Toliara.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment