a
FandraisanaVaovaom-paritraCAMPUS AMBONDRONA MAHAJANGA : NIREFODREFOTRA NY TORA-BATO ‚ MAY NISY NANDORO NY TRANON’NY MPIANATRA,,r ANALALAVA

CAMPUS AMBONDRONA MAHAJANGA : NIREFODREFOTRA NY TORA-BATO ‚ MAY NISY NANDORO NY TRANON’NY MPIANATRA,,r ANALALAVA

CAMPUS AMBONDRONA MAHAJANGA : NIREFODREFOTRA NY TORA-BATO ‚ MAY NISY NANDORO NY TRANON’NY MPIANATRA,,r ANALALAVA

Tora-bato nirefodrefotra teo amin’ny Bloc 22 izay misy ny mpianatra avy any Analalava Faritra Sofia no novantaniko raha efa namonjy fodiana aho ka niverina tampoka rehefa nahazo vaovao momba ny savorovoro nisy teo amin’ny samy mpianatra . Tsy mbola fantatra mazava izay tena nitarika korontana fa hatreto may kila ny trano fonenan’ny mpianatra avy any Analalava ary tsy nisy azo noraisina ‚ mpianatra maromaro naratra vokatry ny tora-bato ‚ hoy ny filohan’ny mpianatra zanaky ny Faritra Sofia na SERS ( Solidarité des Étudiants de la Région Sofia ) . Sahirana tanteraka ireo mpianatra niharam-boina ‚ tsy nisy azo noraisina ny entana sy fitaovana ary fananan’ny mpianatra rehetra tao an-trano.

Nandray an-tànana ny fitsaboana ireo mpianatra naratra ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Oniversiten’i Mahajanga ary nanolotra lela-vola hanampiana vonjimaika ihany koa ‚ hoan’ireo mpianatra traboina.

 Manameloka ny fihetsika izay mifanohitra amin’ny fampianarana ambony izao ny Ministera mpiahy.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment