a
FandraisanaFambolena sy fiompinaBORIZINY : POTIKA NY VOKATRA VONEMBA ‚ LOJY ( BLACK EYES )

BORIZINY : POTIKA NY VOKATRA VONEMBA ‚ LOJY ( BLACK EYES )

BORIZINY : POTIKA NY VOKATRA VONEMBA ‚ LOJY ( BLACK EYES )

 Ketraka ‚ very fanahy mbola velona ny tantsaha mpamboly black eyes ao Boriziny amin’izao ka miantso vonjy sy mitady vahaolana amin’ny fitondram-panjakana.

 Mampakatra vokatra lojy na vonemba ( Black eyes ) 04 t/Ha isan-taona izahay ‚ mampiasa fanafody fatao amin’ny voly fa mahagaga sy mampalahelo fa tsy nandaitra tamin’ireo biby kely intsony ilay fanafody fampiasa efa hatramin’izay ‚ potika ny voly ary tsy misy vokatra azo izahay fa matiantoka tanteraka ‚ hoy ireo tantsaha ao Boriziny miantso vonjy amin’ny tokony hanaovana fitsirihana ny biby kely mamono voly sy vahaolana momba izany.

Betsaka ireo misehatra amin’ny fambolena ‚ sy vokatra BLACK EYES ao amin’ny distrikan’i Boriziny ka mangataka ireo tantsaha ny hamoahany tompon’andraikitra fanambarana ‚ fiantohana amin’ny fambolena manaraka mba hialana amin’ny fatiantoka tahaka izao . Andrasana ny mety fanazavana ataony tompon’andraikitra momba ity raharaha ity.
______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment