BORIZINY : AZO ANTOKA ARY NOHAMAFISINA NY FIAROVANA NY ALA MIREFY 21343Ha sy DOBON-DRANO MAMOKATRA MIREFY 610Ha AO AMIN’NY KAOMININA TSARATANANA
Tsy vita ao anaty birao ny fiarovana ny tontolo iainana ‚ ilaina ny fidinana ifotony mba ahitana ny tena zava-misy marina ‚ afahana manapa-kevitra manoloana izany . Fokontany miisa 05 tao amin’ny kaominina Tsaratanana ‚ Distrikan’i Port Bergé faritra Sofia no nahazo fiantohana avy amin’ny fitaleavam-paritry ny tontolo iainana sy fampandrosoana lovain-jafy ‚ amin’ny fahafahana miaro ny tontolo iainana ifotony ‚ ala sy ireo harena voajanahary maro ‚ izay antsoina hoe VOI ( Vondron’olona ifotony ).
Alan-javaboary mirefy 21 343Ha sy dobon-drano feno trondro ‚ vokatra maro mirefy 610 Ha no hita sy mandrakotra ireo fokontany 05 izay nametrahana VOI ireo . Tany an-toerana ny talem-paritry ny tontolo iainana sy fampandrosoana lovain-jafy ‚ Manantsoa Clermont nanolotra fanomezan-dalana ara-dalàna afahana manao ny asa fiarovana alan-javaboary sy dobon-drano ( matsàbory ) io.