BLACK NADIA : ALLAH ‚ IL EXISTE VRAIMENT
Misy fitsapana lehibe hitako ary misy fahasoavana lehibe azoko amin’ny finoana “musulmane” ka izany no nahatonga aho tapa-kevitra ‚ Allah Il existe vraiment » hoy ity Mpanakanto Malagasy fanta-daza ity raha nanontaniana ny antony naharesy lahatra azy amin’ny finoana silamo tany Dubaï . Sary nalaina tao amin’ny pejiny ity ary nohamafisiny fa tsy vorondolo io sary io.
Ny fanambarana iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona mampahafantatra ao amin’ny andininy faha-18 ‚ fa malalaka amin’ny heviny sy amin’ny fivavahana inoany ary manan-jo hihaino ny feon’ny fieritreretany ny olon-dehetra ‚ io zo io no mamela azy malalaka hiova fivavahana na firehana samihafa.