a
FandraisanaVaovaom-paritraBEN’NY TANÀNA NASIRY ALI : MIANTSO NY FITONDRAM-PANJAKANA‚ HANOKATRA “GARE ROUTIÈRE” VITA AO BEKITROBAKA‼️

BEN’NY TANÀNA NASIRY ALI : MIANTSO NY FITONDRAM-PANJAKANA‚ HANOKATRA “GARE ROUTIÈRE” VITA AO BEKITROBAKA‼️

BEN’NY TANÀNA NASIRY ALI : MIANTSO NY FITONDRAM-PANJAKANA‚ HANOKATRA “GARE ROUTIÈRE” VITA AO BEKITROBAKA‼️

Tery sy feno fotaka ary tsy mendrika ny maha renivohi-paritra Sofia ny Parkazy eto Antsohihy rehefa tonga ny fotoam-pahavaratra. Manana “Gare Routière” vita tsara ao Bekitrobaka anefa ny kaominina ambonivohitry Antsohihy saingy tsy mbola azo nampiasaina amin’ny maha toeram-piantsonana azy fa zary ho fanatanterahana ny lanonana ary lasa trano fipetrahan’olona mandalo mihitsy izy io tatoato ka nanao fangatahana imasom-bahoaka‚ teo anatrehan’ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena – Dr Michelle Sahondrarimala‚ teo anatrehan’ireo Solombavambahoaka maro sy ny senatera ary ny Governoran’ny faritra Sofia miaraka amin’ireo solontenam-panjakana aty ifotony‚ izay tarihin’ny lehiben’ny Prefektiora Antsohihy.

Na ny ampahany‚ ireo “ZONE NATIONALE” ihany aloha alefa any ho fandaminana sy fanitarana ny tanàna‚ hoy ny Ben’ny tanàna NASIRY Ali ny 20 Mey 2023 teo.

Tsiahivina fa voasakan-tsakana hatrany ny Ben’ny tanàna ary iharany tsindry maro samihafa rehefa mikasa hanokatra io “Gare Routière” ao Bekitrobaka io.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment