a
FandraisanaVaovaom-paritraBEKOPAKA ‚ ANTSALOVA : MANDRY ANDRIRAN’ANTSY NY MPONINA ▪️VOLA 10 TAPITRISA ARIARY LASANY DAHALO

BEKOPAKA ‚ ANTSALOVA : MANDRY ANDRIRAN’ANTSY NY MPONINA ▪️VOLA 10 TAPITRISA ARIARY LASANY DAHALO

BEKOPAKA ‚ ANTSALOVA : MANDRY ANDRIRAN’ANTSY NY MPONINA ▪️VOLA 10 TAPITRISA ARIARY LASANY DAHALO

Jiolahy miisa 20 mahery ‚ nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika no tonga nanafika mpandraharaha iray tao Bekopaka ‚ Distrikan’i Antsalova faritra Melaka tokony ho misasakalina teo.

Noravain’izy ireo ny vola 10 tapitrisa Ariary miaraka amin’ny entam-barotra ‚ tonga tany an-toerana ny zandary vitsy an’isa ka ny fiarovan-tena no heverina ho namafisin’izy ireo fa na izany ‚ nisy ny olona naratra vokatry ny fifandonana nisy teo amin’ny zandary sy ireo dahalo

Voalaza fa anisany faritra mena amin’ny fanafian-dahalo ny Distrikan’i Antsalova kanefa azo lazaina vitsy ny mpitandro filaminana miasa eny ifotony ka manaitra sy manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana foibe ny vahoaka izay mandry andrian’antsy ao Antsalova.
______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment