BEKITROBAKA ‚ ANTSOHIHY : NOMENY BEN’NY TANÀNA JIRO MANDEHA AMIN’NY HERINY MASOANDRO ▪️MANDEHA NY FIKARAKARANA AMIN’NY FAMPIDIRANA HERINARATRA
Nisesisy ny tsy fandriampahalemana ‚ halatr’omby tao amin’ny tanàna ny Bekitrobaka ‚ fokontany Ambalabe Ouest Antsohihy . Nisy ny fidinana ifotony niarahany Ben’ny tanàna sy ny mpitandro filaminana mitambatra mba hamongorana izany haingana ‚ mba hisiany filaminan-tsaina ny mponina monina ao.Misy ny paikady napetraka manoloana izany ary nanome toky ny Ben’ny tanàna tamin’izany fa hanome Jiro hanazavana ny tanàna mandrapaha hisiany herinaratra ( JIRAMA ) iraisana ao an-toerana ‚ izay efa an-dalam-pikarakarana.
Andro vitsy taoriany izay dia tonga nanatitra ireto jiro mandeha amin’ny heriny masoandro maromaro ireto ny Ben’ny tanàna NASIRY Ali . Fampanantenana nataoko dia tsy maintsy tanterahiko na maro aza ireo sakana izay tsy lazaina amin-tsika intsony . Santatra ambavarano ireto fa ny manetsa be mbola ho avy ‚ hoy izy raha nitafa tamin’ny vahoaka tany an-toerana . Nohamafisiny hatrany fa ho rakofana jiro mazava ny tanàna ny Antsohihy ary tsy misy fokontany adino izany fa samy mahazo ny anjarany.