a
FandraisanaFialambolyBEKARAKA : TANY LAVITRA ANDRIANA – ANJAKANY BE SANDRY

BEKARAKA : TANY LAVITRA ANDRIANA – ANJAKANY BE SANDRY

BEKARAKA : TANY LAVITRA ANDRIANA – ANJAKANY BE SANDRY

Tovolahy iray nandeha alina hamonjy sipany ( nitôha vaiavy ) no tratran’ny mpiray Dina Besaboha tao amin’ny fokontany Bekaraka ‚ kaominina Ankaramy Distrikan’i Analalava ny taona 2017 ka notondroin’izy ireo ho nangalatra lavanio ‚ niharany daroka mafy ‚ nozerana vato lehibe ny lohany ary nokasaina ho vonoina mihitsy fa nijoro nanohitra izany ary niantso haingana ny Ben’ny tanàna voafidy tao Ankaramy i Soaraza Elysette dit maman’i Na ‚ vadin’i Hasinjara lehiben’ny fokontany tamin’izany fotoana . Teo vao koropaka ireo mpikambana ao amin’ny ary nanao izay hamonjena ny ain’ilay tovolahy mandrapaha hahatongavany Ben’ny tanàna izay niaraka tamin’ny zandary avy any . Nandraisana fepetra tamin’ny fikarakarana ilay olona naratra ary nandoa vola be tamin’ilay tovolahy ho famitram-pihavanana ireo lohandohany tao anaty fikambanana.

Nanomboka teo ny lonilony tao an-tanàna ‚ voatery noesorin’ireo milaza azy ho tompon-tanàna ny lehiben’ny fokontany ( ilay vadin-dramatoa ) ary nosoloin’izy ireo olon-kafa ‚ noroahina tao amin’ny tranony izay vitany izy mivady satria tsy mahay miara monina hono sady tia mitoroka olona no tsy mahay fihavanana satria mbola fianakaviam-badiny ihany ireo lohandohany tamin’ny fanaovana herisetra ka saika hanapitra ny ain’olona tamin’iny fotoana iny.

Nandeha nipetraka tany Ankaramy ilay vehivavy sy ny zanany ‚ nanaraka azy tany ary nitondra azy niverina tao Bekaraka ny vadiny ka hatairana no nahitan-dravehivavy fa anabavin’ny vadiny no nipetraka tao amin’ny trano izay vitany . Nanamboatra trano hafa teo an-tanàna ihany izy mivady satria samy tompon-tanàna ‚ ilay vehivavy mamaky vato sady mitatitra fasika ‚ ny lehilahy kosa manamboatra ny trano miaraka amin’ireo olona nokaramaina . Vita ilay trano vaovao sady vita tafo fanitso ka nipetraka tao izy mivady . Bevohoka i Elysette ‚ nandao azy nandeha nitady ravinahitra tany amin’ny faritra SAVA ny vadiny ka izy irery ihany no namelona ireo zanany miaraka amin’ity kibo izay mitombo andro aman’alina.

Nitohy indray ny disadisa rehefa lasa ilay rangahy ‚ noroahin’ireo fianakaviam-badiny indray i Soaraza Elysette sy ny zanany ‚ nasaina nafariny fianakaviany ilay vehivavy fa tsy nandeha satria tsy mbola tonga ny vadiny ‚ ny vadiny rahateo nilaza fa mbola tiany ny vadiny . Niandry kiendritohana hamelezana azy hatrany ny fianakaviam-badiny rehefa tsy niala ravehivavy ka nisy fotoana izy nibedy zanany iny ‚ nidiran’ireo fianakaviam-badiny tao an-tranony ary nodarohan’izy ireo izy ‚ voatazona tany amin’ny toeram-pitsaboana moa izy tamin’izany ary afak’anaka noho ny daroka mafy nahazo azy . Niangavy mafy amin’ny tsy hitondrana ny raharaha eo anivon’ny fitsarana na ny mpitandro filaminana ny vady andefomandriny ka nanaiky ity farany noho ny fitiavam-badiny sy ny fianakaviany . Nandritra ny fotoana nahavoatazona ilay vehivavy tany amin’ny toeram-pitsaboana sy tsy nahateo ny vadiny ‚ voalaza fa ireo fianakaviam-badiny ihany no maka sy mivarotra ny lavanion’izy ireo.

Rehefa nivoaka ny toeram-pitsaboana izy nitady toerana afahana misitrika hafa indray ‚ tamin’izany no nisy olona nanana olàna teo an-tanàna ka nivarotra tany taminy ‚ novidiny ilay tany ary nipetraka sy nonina tao izy . Mbola tonga tany ihany ireo fianakaviam-badiny ary niditra an-keriny teo ka nanao azy ho tanimbary ‚ nopotehina avokoa ireo voly teo ‚ fary ‚ saonjo… Namoronana « dossier » nolaizana fa nanopa zandary indray ravehivavy ka niakatra fitsarana tao Analalava ‚ nafahana noho ny fisalasana moa izy tamin’izany noho ny tsy fahampiany porofo nanenjehana azy ‚ taorian’izay ‚ voalaza fa nakan’ilay zandary avy any Maromandia vola 1 Tapitrisa Ariary izy rehefa avy nobetrohana araka ny fanazavana nataony.

Ankehitriny ‚ namoaka taratasy ny andrimasom-pokonolo ao an-toerana fa tsy mahazo maka rano eo an-tanàna izy mivady sy ny zanany ary tsy misy mahazo manampy azy ireo rehefa misy mahazo azy ka velontaraina tanteraka ary miantso ny tompon’andraikitra mahefa hitondra vahaolana ao an-tanànan’i Bekaraka izy mivady.

Nilaza moa ny lehiben’ny fokontany fa misy tokoa ilay disadisam-piarahamonina sy taratasy famaizana azy ireo noho ny tsy fanarahana lamina eo amin’ny fiarahamonina ‚ izay tsy voafaritra mazava ny antony na niezaka nanontany aza ny mpanao gazety . Nilaza fa hamory fokonolona ary hitondra vahaolana sy fandaminana ao an-tanàna ny mpanolotsaina ny kaominina ao Ankaramy sy ny “assistant parlementaire” ny Depiote Djaosera Irénée fa arahintsika eto ihany ny mety ho tohiny.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

-/-