a
FandraisanaVaovaom-paritraBEFOTAKA AVARATRA : TSY HITA TARATRA MAHA BIRAOM-PANJAKANA NY BIRAON’NY KAOMININA▪️AHIANA HO RODANA IHANY KOA ‚ RAHA AVY MAFY NY ORANA

BEFOTAKA AVARATRA : TSY HITA TARATRA MAHA BIRAOM-PANJAKANA NY BIRAON’NY KAOMININA▪️AHIANA HO RODANA IHANY KOA ‚ RAHA AVY MAFY NY ORANA

BEFOTAKA AVARATRA : TSY HITA TARATRA MAHA BIRAOM-PANJAKANA NY BIRAON’NY KAOMININA▪️AHIANA HO RODANA IHANY KOA ‚ RAHA AVY MAFY NY ORANA

Tsy misy maniry loza tokoa fa hita taratra ivelany sy anatiny ny fahasimban’ny fitodrafitr’asam-panjakana ‚ Biraon’ny kaominina Befotaka avaratra izay efa tsy takona afenina ankehitriny . Sahala amin’ny trano lao ‚ tsy nisy nipetraka an-taonany maro raha ny fahitana ‚ tsy hita taratra ivelany na anatiny ny maha biraom-panjakana azy ankoatran’ireo soratra famantarana ny efitrano sy sarin’ny filoham-pirenena ao anatiny ary ny sainam-pirenena . Vakivaky avokoa ny ankamaroan’ny fitaratra ‚ trano zara raha misy varavarana ‚ ireo hazo mitana fanitso manomboka miala ka ahiana ho rodana raha avy mafy ny orana sy ny rivotra amin’izao fotoam-pahavaratra izao. Mila fanarenana araka izany ity biraom-panjakana ity.

« Azoko ambara dia mangataka fanampiana amin’ny fitondram-panjakana foibe ‚ mba hijerena ankaiky ny Biraon’ny kaominina Befotaka avaratra fa manahy mafy ny hirotanan’ny trano ny tenako ‚ kanefa betsaka ny taratasim-panjakana ao ‚ izay atahorana ho lena raha misy orana na rivotra mafy‚ eo ihany koa ny ain’ireo tompon’andraikitra miasa ao anatiny » hoy ny Ben’ny tanàna voafidy tao Befotaka avaratra ‚ Madame Françoise ‚ niantso tolo-tànana.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment