a
FandraisanaVaovaom-paritraBEFANDRIANA AVARATRA : ZAZA 14 TAONA ▪️TRATRA TEO AMPANAOVANA TONO GANA HALATRA

BEFANDRIANA AVARATRA : ZAZA 14 TAONA ▪️TRATRA TEO AMPANAOVANA TONO GANA HALATRA

BEFANDRIANA AVARATRA : ZAZA 14 TAONA ▪️TRATRA TEO AMPANAOVANA TONO GANA HALATRA

Miharatsy hatrany ny fiarahamonina eto Madagasikara noho ny fahantrana . Mba tehinana mady na zavatra matsiro izy roalahy ireto saingy tsy takatry ny fahefa-mividin’ny Reniny izany ka dia nanapoka ganan’olona mirenireny manodidina azy izy roa.

Nohentiny nandositra ary natonony tany ambadimbadika tany ilay gana ‚ nisy nahatsikaritra anefa izany rehetra ka tonga tampoka ny tompony ary vaky nandositra izy roa kenefa tratra ihany aveo . Nosorana tainkilotra ho fanafaizana mandrapaha nahatongavany Reniny izy roa . Nisy ny fifampiresahana teo amin’ny samy olon-dehibe ‚ mba hisiany filaminana eo anivon’ny fiarahamonina ka nisy ny raharaham-pihavanana.

Nandritra ny fifampiresahana no nahafantarana fa tsy mianatra sy tsy voahantokin’ny Reniny izy roalahy ireto noho ny fahantrana tafahoatra . Mitsimpona mongo ary manadio voly na tanàna ( karama mikàpa ) no mba fidirambolan’ny Reniny ‚ hividianana sakafo iraisany.
______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment