a
FandraisanaFahasalamanaBEFANDRIANA AVARATRA : RAMATOA 70 TAONA ‚ NIAMPATRA SY TSY NAHATSIARO TENA TEO AMORON-DALANA▪️EFA NAHAZO FITSABOANA KA MITADY HAVANY

BEFANDRIANA AVARATRA : RAMATOA 70 TAONA ‚ NIAMPATRA SY TSY NAHATSIARO TENA TEO AMORON-DALANA▪️EFA NAHAZO FITSABOANA KA MITADY HAVANY

BEFANDRIANA AVARATRA : RAMATOA 70 TAONA ‚ NIAMPATRA SY TSY NAHATSIARO TENA TEO AMORON-DALANA▪️EFA NAHAZO FITSABOANA KA MITADY HAVANY

Torana teo amin’ny sisin-dalana ao amin’ny fokontany Ambalakirajy kaominina Morafeno distrikan’ny Befandriana-Avaratra ity Ramatoa izay tombanana ho 70 taona ity androany 16 Oktobra 2022 . Nohentiny chef Fokontany tany amin’ny Hôpital Befandriana avaratra , ary noraisina Medecin Inspecteur an-tanana ny fitsaboana azy . Rehefa nahatsiaro tena izy dia niezaka nanontany ny mombamomba ny mpitsabo sy ny mpanao gazety saingy tsy nahazo valin-teny mahafa-po ‚ izy rahateo mora tezitra.

Tsy nilaza ny anarany izy fa mikasa ho an’ny amin’ny tanàna Bemampaza ‚ hamonjy ny zanany antsoina hoe Milavola izy raha ny nambarany . Nidina ifotony nijery azy teny amin’ny hôpital ny Ben’ny tanàna Kaominina Morafeno fa tsy misy anarana tanàna Bemampaza hono ny ao amin’ny kaominina misy azy.

Efa nahazo fitsaboana izy amin’izao ka mitady handositra hivoaka ny toeram-pitsaboana saingy tsy fantatra mazava izay alehany ny mombamomba azy sy ny fiantraikany koa mbola ho fantarina ka anaovana antso avo amin’izay mahalala azy.
______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment